mercredi 6 mai 2015

METM AMBAIBOHO



Ce document est écrit par ANDRIARINIVOMANANA  HARISON Pour nous contacter +261346887584 ou artvavaka@gmail.com

MISIONA EVANJELIKA TERATANY ETO MADAGASIKARA
M E.T.M
FIANGONANA METM FILADELFIA  AMBAIBOHO
MORARANO CHROME

Faha-dimampolo taonan’ny Fiangonana METM  Filadelfia Ambaiboho
1962-2012
Finoana mamaka sy miorina mafy amin’ny fitiavana.

Ambaiboho, faha 21 oktobra 2012












                                                                                                 (Photo 3F)
Pasteur Jules  Rakotomaro mivady








Fisaorana
 Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika manana izao boky mirakitra ny tantaran’ny faha-50 taona niorenan’ny fiangonana METM Filadelfia eto Ambaiboho izao. Ny fahasoavan’Andriamanitra tokoa no nitantana ny fiangonana ka nahatratrarany  izao jobily volamena izao.  Ho Azy mandrakariva anie ny voninahitra .
Isaorana  ireo mpiara-miasa izay nifanampy teo amin’ny fanomanana izao boky izao. Andriamanitry ny fiadanana anie hanome valisoa ho anareo.
Marihana etoana anefa fa tsy afaka mihambo ho mahalaza ny zavatra rehetra tokony ho lazaina ity boky kely ity. Azo antoka fa mbola maro no tokony ambara  koa maneho etoana sahady  ny fialan-tsiny  raha misy banga  na mitongilana ny voarakitra ato. Misy ny boky volamena azo hanoratana ny banga ho famenon’izay voalaza ato.
Photo 3F Ambaiboho sy Andriarinivomanana Faly no naka ny sary rehetra ato amin’ity boky ity.
Ankasitrahana etoana koa ny fiangonana sy izay rehetra niara-niasa teo amin’ny fanatontosana na mivantana  izany na  ankolaka.Na dia tsy voasoratra eto aza ny anaranareo dia fantaro fa hitan’Andriamanitra ny ezaka nataonareo.

Misaotra tompoko .

Ny Mpanoratra
Andriarinivomanana  Harison




                                        Teny Fanolorana

Misaora an'i Jehovah ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Salamo 103 : 1,2
Izany teny fisaorana nataon’i Davida Mpanjaka izany no entiko manomboka izao teny fanolorana izao. Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitahiany  sy ny fitantanany  ka afaka nahatratra ny faha-50 taonan’ny fiangonana METM Filadelfia Ambaiboho .
Ny Fiangonan’Andriamanitra dia indraindray misedra  ady sy sakana : ady noho ny fitapitak’i Satana mahazo ny zanak’Andriamanitra, nefa misaotra ny Tompo isika fa najorony ny fiangonana vavolombelona ka afaka nitory ny filazantsaran’i Kristy  ilay fahazavan’izao tontolo izao teto Ambaiboho nandritra ny dimampolo taona.     Afaka mankalaza soa  aman- tsara izao jobily faha- 50 taona niorenan’ny Fiangonana METM Filadelfia eto Ambaiboho izao ary isika, ka “manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” .(Rom  8: 37).
Tsara tokoa ny mametraka tantara voasoratra ka ho lova ho an’ny taranaka mifandimby. Koa isaorana ireo taranaka ankehitriny izay  mitrandraka ny tantaran’ny fiangonana ka nanoratra azy ho boky amin’izao faha-50 taonan’ny fiangonana izao. Andriamanitra fitiavana anie hitahy izao asa soratra izao hanovozan’izay mamaky sy mandalina azy finoana velona sy matanjaka.
Ho amin’ny isan-tokantranontsika sy ny taranaka mifandimby anie ny fiadanan’ny Tompo .
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra !
Ambaiboho, oktobra 2012
Pasteur Jules  Rakotomaro









Fampidirana


Araka ny fanapahan-kevitry ny fiangonana METM Filadelfia Ambaiboho dia ankalazaina amin’ity taona 2012 ity ny faha-50 taonan’ny fiangonana. Fety lehibe ho an’ny taranaka ankehitriny tokoa izany vanim-potoana izany koa  maro ireo fihetsiketsehana natao hanamarihana izany  Jobily volamena izany. Anisan’izany ny fanatsarana manontolo ny trano fiangonana izay nohavaozina tanteraka ny tafo sy ny loko.Nisy koa fanitarana sy fanatsarana maro izay  natao.
Tapaka tamin’izany koa fa hosoratana ny boky kely mirakitra ny tantaran’ny fiangonana mba ho lova mipetraka ho an’ny taranaka mifandimby sy ho  famelomana ny afom-pinoana ao anatin’ny taranaka ankehitriny.
Ho hitantsika ato anatin’ity boky ity ny :

-Niandohan’ny fiangonana ;
                                               -Ny lalana nodiaviny ary
-Ny fiangonana ankehitriny.













NY NIANDOHAN’NY FIANGONANA

Raha araka ny tantara dia tsy mbola nisy fiangonana nijoro teto Ambaiboho talohan’ny taona 1962. Nisy kosa anefa ireo kristiana izay efa nandray ny fahazavan’i Kristy ka nandeha nivavaka tany Morarano chrome .Tamin’ny taona  1962 no nipoitra ny hevitra voalohany hanangana fiangonana eto Ambaiboho.
Niainga tamin’ireo kristiana  tao  amin’ny fiangonana protestanta miray amin’ny LMS                    ( London Missionary Society ) , FJKM ankehitriny tao Morarano chrome ny tantara tamin’ny volana septambra 1962.
Azo lazaina fa fotoana niroborobon’ny fitoriana ny filazantsara teto  amin’ny faritra Morarano chrome ny taona 1959-1962.Tamin’izany fotoana izany ohatra  no nanorenana  io trano fiangonana lehibe ao amin’ny FJKM Morarano chrome io . Ny Pasteur Rakoto Johnson no mpitandrina tao tamin’izany fotoana izany.Nitombo isa ny kristiana sy ny lazan’ny fiangonana ka rehefa nahazo fahaleovan-tena isika ny taona 1960 dia  voafidy ho ben‘ny tanàna ny Mpitandrina Rakoto Johnson.
Teo koa anefa no nipoiran’ny olana maro samy hafa ka nampisy ny fisarahan-kevitra.Nanoloana ny olana nosedrain’ny mpitandrina dia nisy kristianina maromaro izay niombom-po am-panahy tamin’io mpanompon’Andriamanitra nahavita be teo amin’ny asan’ny tompo io. Ireo kristianina feno fitiavana ny mpanompon’Andriamanitra ireo no nivondrona ka nanorina ny fiangonana eto Ambaoboho. Azo lazaina fa be fitiavana tokoa ireo kristiana ireo ka tsy namela ho irery ny mpanompon’Andriamanitra mandalo olana.




Izany fiandohan’ny tantara izany no nahatonga ny mpanoratra nifidy ho lohatenin’izao boky kely izao izay voalaza ao amin’ny Efesiana 3 : 17 :  Finoana mamaka sy miorina mafy amin’ny fitiavana”. Azo lazaina tsy am-pihambahambana fa fitiavana miori-paka tokoa no nameno ny fon’ireo ray aman-dreny tamin’izany fotoana izany dia : fitiavana ny asan’Andriamanitra sy  fitiavana ny mpanompony indrindra eo amin’ny sarotra izay lalovany.
Taorian’ny fivoriana maromaro izay notarihan-dRamatoa Ralinoro vadin’ny mpitandrina Rakoto Johnson dia tapaka ny hevitra fa hanangana fiangonana protestanta iray eto Ambaiboho mba hifampitaizana sy  hampiroboroboana ny finoana tsy ho faty. Noraisina ireo dingana manaraka ny ara-dalàna sy ny rafitra isan’ambaratongany : nandalo tao amin’ny  foiben’ny fiangonana taty Antsihanaka tao Imerimandroso ka hatrany amin’ny foibe ao Antananarivo.
Tsy azo anefa ny alàlana hanangana fiangonana iray teto Ambaiboho.
Tsy kivy noho izany ireto kristianina fa nitady fomba hananganana fiangonana satria efa lasa fanamby teo amin’izy ireo ny hoe tsy maintsy mahavita fiangonana eto Ambaiboho isika.
Nisy indray ireo solontena nalefa tany Antananarivo nihaona tamin’ny Docteur Pasteur Rakotobe Andriamaro filohan’ny fiangonana MET (Mission Evangélique de Tananarive)  tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny fo feno fifaliana sy fitiavana  no nandraisan’i Docteur Rakotobe Andriamaro ireto iraka avy aty Ambaiboho. Nivoha nidanadana  ho azy ireo ny fiangonana MET ka azo ny alalana hanangana fiangonana eto Ambaboho. Zava-dehibe tamin’io misiona io ny fampielezana sy ny fitoriana ny filazantsara koa dia tsy sarotra ho an’ireto iraka ny nahazo ny taratasy fananganana ny fiangonana.



Hafaliana tsy misy toa azy ny an’ireto iraka rehefa nahazo ilay taratasy.  Noraisin’ izy ireo ho valim-bavaka lehibe avy amin’ Andriamanitra izany satria  io no lalana  anatanterahana ny fanamby sy ahafahana  mivory sy miara-mivavaka tsy amin-tahotra.Tsy andrin’ireo iraka ny fotoana hiverenana eto Ambaiboho ilazana ny vaovao mahafaly.
Ireto avy ireo iraka sy olona nivezivezy tany Imerimandroso sy tany Antananarivo ka niafara tamin’ny fahazoana io taratasy io.
-Rakotonanahary sy  Rakotondramanga, samy Diakona, iraka tany Imerimandroso.
-Ratiaray sy Razafindramanana Angèle  samy Diakona, iraka nalefa tany Antananarivo ho any amin’ny foibe  LMS.
-Rakotonanahary sy Rakotomanga ary nampian-dRandrianasolo Salomon mivady  iraka nihaona tamin’ny foibe MET tany Antananarivo.
Nahazo hery ny kristiana rehefa nahazo ny taratasy ka dia niroso avy hatrany tamin’ny asa fananganana ny trano fiangonana.



















NY LALANA NODIAVIN’NY FIANGONANA

Ny fiangonana voalohany
Fifaliana lehibe no nandraisan’ny kristiana taty an-toerana ny fiverenan’ireto iraka avy any Antananarivo ka nitondra ny  alalana hanorina fiangonana sy hivavaka malalaka. Marihana etoana fa sarotra tamin’izany fotoana izany ny mivory sy miara-mivavaka raha tsy misy taratasy ara-dalàna, ny toe-draharaha nisy koa moa efa nanahirana rahateo dia ny nahavoafonja ny mpitandrina Rakoto Johnson tany Ambatondrazaka.
Tao amin’ny tranon-dramatoa Ravaonirina no nivavaka ny olona, nasiana fefy zozoro teo amin’ny lavarangana mba ahafahan’ny olona mivavaka.
Ireto ny olona voafidy ho biraom-piangonana tamin’izany :
-Filoha : Rakotondramanga ;
-Mpitantsoratra : Rakotombololona Jean ;
- Mpitahiry vola : Ranaivo na Dadanaivo
Nafana fo ny mpivavaka ka niroborobo ny fiangonana. Nohetsehan’ny fanahy  masina Ramatoa Ravaonirina ka nanome ny tany hanorenana ny fiangonana dia ny tany izay mbola misy ny fiangonana  sy ny sekoly ary ny trano vadim-piangonana  ankehitriny.

Nanohana ireto kristiana ireto koa ny foibe MET ka naniraka ny Mpitandrina Ramarolahy hiasa taty an-toerana ny taona 1962 io ihany.





Fananganana trano fiangonana
Tsy niandry ela ny kristiana teto  amin’ny MET Ambaiboho fa ny volana oktobra  taona 1962 ihany dia natsangana ny trano fiangonana. Nisy ny fiaraha-mientana sy firaisan-kina lehibe tamin’izany fotoana izany satria fanamby no napetraka fa tsy maintsy vita ny fiangonana. Maro ny kristiana no nirotsaka nanao asa an-tsitrapo sy nanome ireo fitaovana ilaina tamin’ny fanorenana.
Toy izao no fantatra mazava tamin’ireo fanomezana ireo :
-Ny tany nanorenana sy nanaovana biriky dia fanomezana avy amin-dRamatoa Ravaonirina
-Nomen-dRafidison ho ketsain’ny fiangonana ny tanimbariny iray ka ny vokatra azo dia ho fanohanana ny fiveloman’ny mpitandrina vaovao izay vao tonga.
-Ireto kosa no fantatra fa nanao vokatra lehibe ho fanorenana : Ramatoa Rasoavahatriniaina Dénise nanolotra lambam-pandriana sy ondana ; Ranaivo sy Ramiadantsoa vadiny nanome kisoa, Rafidison mivady nanolotra omby ; Ireto no nanome ny fanatazan-drakitra, ny lamban-databatra sy ny lamban’ny pilopitra : Raivomanana Céléstine, Randrianasolo Salomon , Rafarasoa Albertine , Ramiadantsoa ary Ravaonirina.
-Ny hafa kosa nanao asa –tanana toa an-dRakotonanahary mpandrafitra izay nanao  ny rafitra hazo  sy  nanafo ny trano fiangonana.
-Voalaza tokoa fa tsy nisy nialangalana ny rehetra fa naneho firaisan-kina sy fietanam-po nentanin’ny fitiavana  ho fanorenana ny trano fiangonana .
Tsy nahagaga raha telovolana monja taty aoriana dia vita ny asa fanorenana ka notokanana ny krismasy 24 desambra 1962 ihany ny fiangonana vaovao.
Ireto avy ireo Ray aman-dreny nitarika sy ireo mpiara-nivavaka tamin’izany fotoana izany :
-Ravaonirina,Ranaivo,Ramiadantsoa,Razafitsambaina,Razafindratompo,Rafidison, Rasoananahary,Rakotonanahary,Razafindranera,Rakotomanga,Ratiaray, Rakotoniaina,Razafinarivo,Rakotomalala,RazafindratompoII, Andrianaivoravelona Chrysostôme,Rasoavahatriniaina Denise,Razafimalala,Razafindramanana Angèle, Razanadraisoa, Razafindrakoto, Razafiarisoa, Rasoamanandray, Ratsimalovy, Rajaobelina, Razanamparany, Rakotondratsimba Rémi, Raveloson, Razanabahoaka Joséphine,Rasoarivony Henriette, Randrianjafy André, Rasoarimisa Victoire, Rakotonjanahary, Rasoamanahirana,Rasoarimalala Céléstine,Rasoamiarimbola Mariette,Rabesarisoa dit Rasy,Rasolomanana,Razanadrazay, Razafiarisoa, Ranirisoa (Mme Ross), Razafindrasoa I,Razafindrasoa II,Ranorovelo, Rabenandrasana, Rakotondramanana, Edouardo.
Ireo olona ireo dia mbola miampy ny tanora sy ny zaza amam-behivavy fa saingy tsy voalaza ny anaran’izay ireo.

Ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
16 juin 1963
Sary tahiry nomen’Andriamatoa Cyprien






Ny fanorenana sekoly
Raha vao vita ny fiangonana dia efa niroso sahady tamin’ny fanorenana sekoly ny kristiana. Ny sekoly dia nanana kilasimandry zazalahy (20) sy zazavavy (30) teo am-piandohana. Ireto avy ireo Mpampianatra tamin’izany fotoana izany :
Ramarolahy, Paulbert, Rafidimanana, Randriamasinoro Jean, Madame Randriamasinoro, Rasoamiarimbola Mariette.Voalaza fa nisy mpampianatra nanana Bac nampianatra tao tamin’izany.
Ravan’ny rivo-doza matetika ny sekoly ary miezaka hatrany ny fiangonana manarina azy ka tsy namela ny sekoly ho simba.
Nahazo efitrano  manara-penitra tamin’ny  fanjakana ny sekoly ny taona 2004-2005 taorian’ny rivo-doza izay nanimba ny sekoly voaorina teo aloha..
Efa misy ny ambaratonga rehetra izany ankehitriny : Ambaratonga voalohany, faharoa ary Lycée.


Ireo mpitandrina nifandimby
Pasteur Ramarolahy : 1962-1968
Nanamboatra polipitra , dabilio, ary nividy harmonia portable, nanorina sekoly.
Pasteur Ramiandrasoa : 1968- 1971
Nanentana ny kristianina tamin’ny finoana
Pasteur Raberanto  :1971-1972
Nanangana ny sekoly nazeran’ny rivo-doza,nanavao ny polipitra…
Pasteur Rasandy : niasa vetivety ihany
Pasteur Rakotomanantsoa Gilbert : 1972-1976
Nanarina ny sekoly ravan’ny rivo-doza,nividy harmonia vaovao sy lakolosy nanavao ny polipitra  amin’ny endriny hita ankehitriny (aogositra 2012)
Pasteur Raminoarison  : 1976-1979
Izy no filohan’ny synoda voalohany taty Antsihanaka, namarana ny fanaovana ny pilopitra ary mpampianatra ihany koa.
Pasteur Ravoajanahary : 1979-1986
Izy no nitarika ny fanorenana ny tilikambo izay hitantsika amin’izao fotoana izao.
Pasteur Révérend Rakotomaro Jules  sy Raharilala Noelinirina Berthine vadiiny :
23 mars 1986 -….
Nanafo ny sekoly ravan’ny cyclone (1986).
Nisy ny fiofanana ho Diakona voalohany ary notokanana sy niakanjo fotsy lava.
Najoro ny Antokom-pihira AFAFI (Antsan’ny Famonjena Filadelfia) ary nitokanana ny 21 oktobra 1990.
Nanavao ny  trano fiangonana ( planche de rive, pâte –fiche vy  ny zoron-trano fiangonana, lokom-baravarana sy ny trano vadim-piangonana ary ny tilikambo…)
Nankalaza ny jobily faha-28 taonan’ny fiangonana sy nanangana tsangambato (1962-1990). Nankalazaina ny 21 oktobra 1990 izany fotoan-dehibe izany ka natrehan’ireo manam-pahefana maro na teo amin’ny fitondrana na teo amin’ny fiangonana , isan’izany ireto :
-Rév Dr Ny Ony Rakotobe Andriamaro mivady, Filoha Jeneralin’ny MET sy ny Rév Randria Nirison Jules , sekretera Jeneralin’ny MET  ary Ramatoa Charlotte Rakotobe Andriamaro
Nanao trano vadim-piangonana (09 septembre  1992). Nividy synthétiseur ho an’ny AFAFI sy moteur. Nanavao ny trano vadim-piangonana. Nanamboatra dabilio maro.
Nanao  trano heva misy andohalambo avaratra - andrefana ao amin’ny fiangonana.
Nanangana ny trano sekoly manara-penitra (FID).
Nanorina ny Lycée sady Proviseur .
Mpitandrina am-perin’asa amin’izao taon-jobily izao.
Mbola maro ny zavatra tokony hambara  ny momba ny asa vita fa  kely ny boky ka tsy afaka hanoratana  izany rehetra izany.


ISAN-KERINTAONAN’NY MET TETO MADAGASIKARA
Ambaiboho  17 -21 aogositra 1994.

Isan-keritaona tena  manana ny tantarany eto amin’ny fiangonana MET io isan-keritaona natao teto Ambaiboho  io noho ireto antony ireto  :
-Io ny isan-keritaona voalohany natao ivelan’Antananarivo teo amin’ny tantaran’ny MET nandritra ny 39 taona.
-Nandraisana fanapahan-kevitra lehibe maro io fotoana io satria teto no teraka ny METM (Misiona Envanjelika Tera-tany eto Madagasikara). Ny MET teo aloha (Mission Evangélique de Tananarive) dia novana ho Misiona Envanjelika Tera-tany eto Madagasikara (METM), satria efa manerana an’I Madagasikara ny fiangonana fa tsy nijanona tao Antananarivo fotsiny ihany . Tamin’io koa no nanovana ny lokon’ny  “robe pastorale” ho fotsy raha mainty izany  teo aloha.

Toerana mpandray fivoriana koa ny fiangonana METM filadelfia Ambaiboho. Anisan’ny natao teto  ny 23,24,25 jolay 1999, ny synoda –zanany na ny fandaminana  iraisan’Anosibe an’ala sy Moramamanga ary Antsihanaka, synoda roa mitambatra. Mpikambana maro avy any amin’ny komity foibe tany Antananarivo no tonga nanatrika  io synoda io izay notarihan’i Pasitera  Volahanta sy ny vadiny .Tonga teto koa ny misionera  Ramatoakely Elianna sy ireo Mpitandrina maro avy any Antananarivo.
Izany synoda izany moa dia nahavory ny mpitandrina rehetra avy  amin’ny synoda Moramanga-Anosibe an’Ala ary Antsihanaka ary natrehan’ny kristianina maro be..






Ireo biraom-piangonana nifandimby

Taona
Ireo biraom-piangonana

1962
-Filoha : Rakotondramanga
-Mpitahiry vola : Ranaivo na Dadanaivo
-Mpitantsoratra 1 : Rakotombololona Jean
-Mpitantsoratra 2 : Rakotoniaina
-Mpitantsoratra 3 : Rasoamiarimbola Mariette
-Mpitantsoratra 4 : Randriamasinoro Jean

1971
-Filoha : Rafidison
-Mpitahiry vola : Ranaivo
-Mpitantsoratra : Randrianasolo Salomon
1976
-Filoha : Rafidison
-Mpitahiry vola : Ramiadantsoa
-Mpitantsoratra : Randrianasolo Salomon
1979
Mpitantsoratra :Rarivomiarana
Mpitahiry vola : Ratsimalovy sy Ratovontsoa
Controleur général : Rasoamparany Jean Alexis
1986
Filoha : Rafidison
Mpitahiry vola1 : Rasoavahatriniaina Denise
Mpitahiry vola 2 : Ravaonirina
-Mpitantsoratra 1 : Randrianjafy André
-Mpitantsoratra 2 : Andrianaivoravelona Sahondra Lucie Nivo
-Mpitantsoratra 3 : Rakotonjanahary
-Mpitantsoratra 4 : Ramboatiana Justin

2012
















NY METM ANKEHITRINY
Fiangonana velona ny METM Filadelfia ka manana ireo sampana maro ho fanabeazana sy ho fitoriana ny filazantsara. Ireto avy ireo sampana velona misy ato am-piangonana :
-Ny Sekoly Alahady,
Miroborobo ankehitriny ny sampana sekoly alahady ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana soratra masina ho an’ny ankizy sy ny zatovo. Manana ny anjarany mandrakariva ny sekoly alahady amin’ny fotoam-pivavahana ny alahady maraina.
                                 Sekoly Alahady taona 2012                                                                        (Photo 3F)

-Ny Sampana Tanora Kristiana izay ivondronan’ny tanora rehetra ary ahitana antoko mmpihira.
-Ny Antoko Mpihira AFAFI.
Antoko Mpihira manana ny maha-izy azy tokoa ny AFAFI . Mandray anjara mandrakariva amin’ny asa fitoriana ny filazantsara an-kira ary manao ho zava-dehibe ny fiara-miasa amin’ireo Antoko Mpihira maro eto amin’ny manodidina sy any amin’ireo fiangonana rahavavy.Maro ny ezaka nataon’ny AFAFI ary anisan’izany ny namoahany ny raki-kira tamin’ny “cassete audio” iray izay misy hira ara-pilazantsara maromaro ny  volana novambra 2003.
                                                                                   Antoko Mpihira  2012 (Photo 3F)

                          Manao ny asa fitoriana ny filazantsara any ivelan’ny fiangonana koa ny Sampana Tanora kristianina sy ny Antoko Mpihira, anisan’izany ity voarakitra an-tsary ity.
Fivoahana  tany Ankitsika ny taona 2010                                                             (Photo 3F)


Ny Sampana Fifohazana
Niorina tamin’ny taona 2000 ny sampana fifohazana eto amin’ny fiangonana. Noraisiny ho teny faneva ny voasoratra ao amin’ny Matio  5 : 13 a, 14 a manao hoe :
“Hianareo no fanasin’ny tany,…Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”
Ireto  ireo mandrafitra ny biraon’ny sampan fifohazana:
Filoha :Andriamatoa Razafinimpanana Solomon
Mpitantsoratra : Ramatoa Haingo Niaina  Gerry Charles
Mpitahiry vola : Ramatoa Mamilantosoa Charline
Mpandini-bola : Ramatoa Raharilala Noelinirina
Manao ny asa fampaherezana isam-bolana ato am-piangonana ny fifohazana. Manana ireo  mpikambana mavitrika ka lasa hery sy fanohitra ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny filazantsara

Ireo Mpiandry  ato amin’ny METM ambaiboho taona 2012                    (Photo 3F)


-Ny fikambanam-behivavy na Dorkasy

Ity fikambanana ity no tena avokavoky ny fiangonana. Hery mampiaina ny asa rehetra atao ato. Azo  lazaina fa tsy vita ny asa rehetra izay natao raha-tsy teo ny fikambanana Dorkasy.
Birao taona 2010 :
Filoha : Rasoanomenjanahary Marthe
Mpisolo toerana vonjimaika : Ramatoa Raharivolamizana Hanta
Mpitantsoratra : Ramatoa  Voahanginirina Berthine
Mpitahiry vola : Ramatoa Rasoahanta Lalasoa
Tsaroana manokana etoana Itompokovavy  Rasoanomenjanahary Marthe izay nanokana ny fiainana  ho fampandrosoana ny sampana dorkasy teto amin’ny fiangonana .
Ireo birao vaovaon’ny sampana Dorkasy
Filoha : Ramatoa Raharilala Noelinirina Berthine
Mpitantsoratra : Ramatoa Voahanginirina Berthine
Mpitahiry vola : Ramatoa Ramaharavoarisoa Hortense
Dorkasy 2011 (Photo 3F)

Mahereza ao amin’ny tompo sy amin’ny herin’ny faherezana .Efesianina 6 :10

Dorkasy 2012 (Photo 3F)



-Ny Sampana Lehilahy
Sampana vao nijoro vao haingana tato am-piangonana ny sampana lehilahy nefa efa hametrahan’ny fiangonana ny fanantenany ho fanetsiketsehana ireo lehilahy kristiana rehetra amin’ny asa fanompoana.
Ny sekoly
Tsy afaka misaraka amin’ny tantaran’ny fiangonana ny sekoly. Efa manana efitrano manara-penitra izy ankehitriny ka lasa tantara sisa ny  fandravan’ny rivo-doza azy matetika teo aloha. Efa misy lycée koa ny sekoly nanomboka ny taom-pianarana 2010-2011.
Naka ny sary : Faly

   Ireo Komitin’ny asa fanavaozana amin’izao faha-50 taonan’ny fiangonana izao.
                Ho fanomanana ny fankalazana sy ho fiatrehana ny asa rehetra amin’izao taon-jobily 
                izao dia najoron’ny fiangonana ny komity

Ireo no komity nitarika ny fiangonana tamin’ny asa fanavaozana tanteraka ny trano  fiangonana sy ny fankalazana ny faha-50 taona. Nandray ny toe-po sy ny finoana nanana’ireo Ray aman-dreny mpanorina izy ireo dia ny fitiavana sy ny fanamby  ka zavatra iray no masaka tao an-tsain’izy ireo : “ tsy maintsy vita ny asa izay napetraky ny Tompo”
Asa fitoriana ny filazantsara
Manao ho zava-dehibe ny asa fitoriana ny filazantsara koa ny fiangonana ka manohana sy miara-miasa akaiky amin’ireo zanam-piangonana toy ny ao Tsarahonenana Morarano chrome.














Famaranana

Ho famaranana izao boky  izao dia indramiko ny voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha 3 andininy faha7 sy ny manaraka  taratasy izay nalefan’ny Apostoly Jaona ho an’ny fiangonana tao Filadelfia.
“7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia]
8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.”

Ho voninahitr’Andriamanitra !











Ireo loharano nipoiran’ny boky

Ireto avy ireo loharano nahazoana nanoratra izao tantara izao:
1-Boky volamenan’ny fiangonana nosoratana tamin’ny taona 1990 :  izay narindran’i Pasteur Jules Rakotomaro sy ny Mpanoratra Rasoamparany Jean Alexis avy amin’ny tantaran’ireo nahita ny niandohan’ny fiangonana.
2-Boky mirakitra ny tantaran’ny FJKM Morarano chrome izay niaingan’ireo mpanorina voalohany ny fiangonana.

Nandrindra sy nanoratra ny boky

Andriarinivomanana  Harison