Nous cherchons des partenaires pour mettre en place une station locale de radio FM évangélique Merci de nous contacter +261346887584 ou artvavaka@gmail.com
ÉGLISE DE JÉSUS CHRIST DE MADAGASCAR (FJKM)
TEMPLE FJKM BETELA MORARANO CHROME
DISTRICT D'AMPARAFARAVOLA
MADAGASCAR
« La bonne semence tomba dans la bonne terre et donna des
fruits… »
OU L’HISTOIRE DE LA 140 e ANNIVERSAIRE DE L'ÉGLISE PROTESTANTE
FJKM DE MORARANO
CHROME
1869-2009
Photo Richard Morarano chrome
Par ANDRIARINIVOMANANA HARISON
vohimorason@gmail.com/artvavaka@gmail.com
PLAN DU LIVRE
REMERCIEMENT
PRÉFACE DU PASTEUR Razafinarivo Henri
INTRODUCTION
1°Historique du village
de Morarano et sa population
2°Historique du temple
et de ses ramifications (Les
missionnaires du LMS :London Missionary Society)
3Historique de la construction du temple
4°Les fruits de l'Evangile et l’impact de la foi
chrétienne dans la vie quotidienne de la population
CONCLUSION
Noms des diacres en
activités et les anciens de l’Eglise.
Les membres du comité de la célébration du
140é anniversaire et le secrétariat du temple.
Remerciement
Nous remercions Dieu tout puissant pour
l’édition de ce document relatant l’histoire de l’évangélisation de Morarano.
C’est Dieu qui met dans notre cœur le désir
et la volonté d’écrire selon sa
parole : » car c’est Dieu qui produit en vous le vouloir et le faire,
selon son bon plaisir.( Fil : 2 : 13).Que son nom soit glorifié à
jamais. Amen !
Nous
tenons également à remercier tous ceux qui
de près ou de loin ont contribué à la réalisation de ce document
historique. Que Dieu vous bénisse et vous récompense de vos efforts.
Les principaux collaborateurs sont :
Pasteur
Razafinarivo Henri ; Mesdames et Messieurs : Raharimanana Marie, Razanatsoa Florine,
Razafindramiadana Marthe, Rafanomezana Marc , Ravelojaona Dimbiniaina Paulin, Raharison
Victor, Rabesahala Daphiné, Rakotondratsiafa
Paul, Randriamandimby , Razafimahaleo Ernest. Ils ont beaucoup travaillé pour
la recherche et la documentation.
Rameliarijaona Richard
(Photo Richard Morarano chrome) a assuré les prises des photos.
Mes remerciements vont également à
l’endroit de tous ceux qui de par leur bonne volonté nous ont aidé à éditer ce
livre historique. Soyez- en sûr que Dieu
connait vos efforts et vous réserve sa bénédiction !
Merci
beaucoup.
L’auteur,
VERSION EN LANGUE MALAGASY
PREFACE DU PASTEUR Razafinarivo
Henri
Teny Fanolorana
Misaotra
an’Andriamanitra Avo indrindra isika noho ny fitahiany mahatretrika ka
amelomany antsika amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny Fiangonan’Andriamanitra
dia mandalo ady sy sedra mandrakariva:
ady noho ny fitapitak’i Satana mahazo ny zanak’Andriamanitra, nefa misaotra ny
Tompo isika fa najoron’i Jesoa Kristy.”fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa
isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena”.(2 Tim 1:7)
Afaka
mankalaza soa aman- tsara izao jobily
faha 140 taona niorenan’ny Fiangonana Betela Morarano chrome izao ary isika, ka
“manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” .(Rom 8: 37). Noraisina ho teny faneva ny tenin’i
Jesoa tamin’i Petera hoe :”Izaho mangataka ho anao mba tsy levona ny finoanao
…” (Lio 22:32a).Izany no
hametrahantsika ny ho avy amin’ny finoana sy fanantenana an’i Kristy fa
mivavaka ho antsika Izy.
Napetraka ho karohin’ny taranaka
ankehitriny indray ary ny fanohizana ny
tantaram-pinoana niveloman’ny fiangonana teto amin’ity toerana ity, ho
famenon’izay voasoratra tamin’ny boky tantara nosoratana tamin’ny faha 100
taona sy ny ny faha 120 taonan’ny fiangonana.(1969 sy 1989). Andriamanitra
fitiavana anie hitahy izao asa soratra izao hanovozan’izay mamaky sy mandalina
azy finoana velona tsy miverin-dalana.
Ho amin’ny isan-tokantranontsika
sy ny taranaka mifandimby anie ny fiadanan’ny Tompo!
Ho an’Andriamanitra irery anie
ny voninahitra !
Betela
Morarano Chrome, jolay 2009
Ny
Mpitandrina RAZAFINARIVO Henri
INTRODUCTION
Teny fampidirana
Araka ny
fanapahan-kevitra teo anivon’ny Fiangonana FJKM Betela Morarano chrome dia
hankalazaina amin’ity taona 2009 ity ny faha-140 taonan’ny nidiran’ny
filazantsara teto..Fotoan-dehibe tsy azo lalovam-potsiny izany koa nanasana ny
zanaky ny fiangonana rehetra hidera an’Andriamanitra noho ny fitantanany. Nanapakevitra
koa ny komitin’ny fankalazana ny faha- 140 taona fa tokony hisy boky hanoratana ny tantaran’ny
Fiangonana. Tsy ny hamerina ny zavatra efa voalaza tamin’ireo bokikely roa
voalohany anefa fa ny hameno sy hanampy
azy ireo mba ho soratra hitoetra ho an’ny taranaka mifandimby (Boky voalohany
tamin’ny fahazato taona (1969) nosoratan’ny Mpitandrina Razanajoelina Philippe,
ny faharoa tamin’ny faha-120 taona nosoratan’ny Mpitandrina Razafinarivo
Henri).
“… Izaho
mangataka ho anao,mba tsy ho levona ny finoanao;” ( Lio 22: 32a)izany no teny
faneva nofidin’ny fiangonana amin’izao faha-140 taona izao.Finoana tsy levon’ny
ela fa mbola miroborobo sy velona ary ianan’ny taranaka ankehitriny. Ary inoana
fa ho fanilo miampita ho an’ny taranaka rehetra mifandimby.Harena lehibe ho
an’ny Fiangonana sy ny tanàna ny manana ny tantara misoratra ka azon’ny rehetra
ho vakiana sy halalinina ary hatevenina sy ho fenoina isaka izay fotoana mety hanaovana
izany.
Ho tantaraina amin’izao boky izao
ary izay tokony ho fantatra momba ny tantaran’ny
tanànan’i Morarano sy ny mponina ao aminy ka nahafahany nandray sy niaina ny
filazantsara.Hasongadina indrindra koa ireo zava-dehibe niseho teo amin’ny tantaran’ny
fiangonana ka ho jerena manokana amin’izany ny tantaran’ireo sampana sy ny
tantaran’ny fanorenana ary ireo vokatry ny Filazantsara eo amin’ny fiainan’ny
mponina andavan’andro.
Nomena ny lohateny hoe “Ilay voa nafafy miorim-paka sy mamoa”
(Mat 13 : 18)ity boky ity satria ilay voa nafafy 140 taona lasa dia naniry ka
lasa hazo lehibe izay itoeran’ny zanaky
ny faha 140 taona ankehitriny.Nitondra voa maro avo zato eny teo amin’ny fiainana
andavan’andron’ny mponina ka zary
tantara tsy azo kosehina izay manamarika ny
mponina eto amin’ity tanana ity
Natao fototra niaingana ireo
bokikely roa efa nivoaka sy ireo diary mbola hita sy azo vakiana amin’izao
fotoana izao toy ny diarin’Andriamatoa Ravonjena Solompitandrina ( teraka tamin’ny taona 1869) sy ny
diarin’Andriamatoa Ranaivoson Charles sekreteran’ny fiangonana (teraka ny taona
1918) ary ireo resaka nifanaovana tamin’ireo Ray aman-dreny mbola velona ka
nahita maso sy nahatadidy ny zava-misy Vokatry ny fikarohana sy fiaraha-miasa
tamin’ny olona maro dia nohazavaina sy nosoratana mazava irero vani-potoana
lehibe nolalovanb’ny fiangonana .Nohezahina nampifandraisina tamin’ny tantara
nisy teto Madagasikara koa ny boky ka
loharano niaingana tamin’izany ny boky nosoratan’Andriamatoa RANDRIAMAMONJY
Frédéric “Tantaran’i Madagasikara isam-paritra”.
Ny tanjona dia ny hamela soratra
ho lovan’ny taranaka mifandimby sy ho fampandrosoana ny asan’ny Filazantsaran’ny
Kristy. Ny tantara tokoa mantsy tsy fanadino . Ny hitodihana ny lasa dia ny
ahafahana manatsara ny ankehitriny ary hibanjinana ny ho avy.Afaka ampiasain’ny
mpianatra koa itony boky itony ka ho entiny hanovozan-kevitra amin’ny
fanadihadihana izay hataony any an-tsekoly ahafantarany bebe kokoa ny tontolo
manodidina azy.
Fotoana fisainana koa izao ho
an’ny taranaky ny faha-140 taona ka hibanjinana ny ho avy indrindra.Faly isika
fa nanana ary manana ireo Raiamandreny ampoky ny finoana arahin’asa. Tsy ampy
anefa izany fa isika no tokony hnontany
tena hoe : Aiza kosa ny finoantsika ? Hitodika ho aiza ny 140 taona manaraka ?
Ho tanterahina ve ny vinan’ny faha 100 taona hanorina sekoly ambony eto
Morarano ? Sa hanana tanjona hafa ho fampandrosoana mivelatra amin’ny lafiny
maro ny fiangonana ?
Fanontaniana mipetraka ho sainina amin’izao fotoana izao ireo. Koa
samia omen’ny fanahy Masina hevitra tsara ka ahita ny valiny tena mahasoa ho fampiroboroboina ny Filazantsaran’ny
Kristy.
1°Historique du village de Morarano et sa population
1°Ny
Tantaran’i Morarano chrome sy ny Mponina
ao aminy
Ny Filazantsara izay notoriana dia
niantefa tamin’ny olona nonina teto Morarano. Manana ny tantarany sy ny momba
azy ireo mponina ireo.Ny fanadihadihana izany dia hiteraka fahalalana
tsaratsara kokoa ny momba ny tantaran’ny finoana teto .Koa indro ary
atolotra ho antsika ny tantaran’ny
Morarano sy ny mponina ao aminy
Morarano chrome dia renivohitry ny
kominina iray ato amin’ny ilany atsimon’ny distrikan’Amparafaravola, faritra
Alaotra-Mangoro. Andrefana somary atsimon’ny farihiben’Alaotra no misy azy ka
izany no mahatonga azy ao anatin’ireo antsoina mahazatra hoe Ampitandrefana.
Tanana miorina ambonin’ny havoana ivaiva sy maritampona izy. Ny kominina Morarano chrome dia kominina
lehibe sy midadasika. Ny kominina
Ranomainty no ao atsimo, Distrikan’ny Tsaratanana no ao andrefana, kominina
Andrebakely Atsimo no ao avaratra, ny distrikan’Ambatondrazaka ny ao atsinanana
izay sarahin’ny renirano Sahabe vavaranon’Alaotra, ny kominina Ambatomainty ny
ao avaratra somary atsinanana.
Raha izay no momba ny tanàna,
inona kosa ireo mampiavaka azy amin’izao fotoana izao ?
Amin’ny maha-faritra Alaotra azy dia ny
tanimbary sy ny fambolem-bary no mampiavaka ity
tanana ity sy ny manodidina azy akaiky. Tsy hadino amin’izany ny
tanimbary midadasika PC 23 Ambohidrony
sy Tsaratanimbary ary ny toeram-pamokarana
masomboly ao Anosiboribory.Hananany koa anefa ireo
havoana ivaiva midadasika azo volena
hanikontrana isan-karazany.
Anisan’ny mampiavaka azy koa ny
maha sampanan-dalana hifandraisan’ny faritra Alaotra sy Andriamena azy. Ao Andriamena mantsy no misy
ny fitrandrahana ny kraomita ka atoby
eto Morarano izany alohan’ny hanondranana azy amin’ny lamasinina mankany
Toamasina. Izany no nahatonga ny anaran’ny
tanàna hoe Morarano chrome.
Tsy azo hadinoina ny fisian’ny
tsena malaza isaka ny alakamisy izay niorina voalohany tamin’ny 8 febroary
1916.Tamin’izany andro izany mba ho fiantsoana ny olona dia nitsofana sodina sy
nanaovana hira gasy teo an-tsena. Zary
ahafantaran’ny maro azy izany tsena
alakamisy izany noho ny fisian’ireo vokatra maro mampiavaka azy.
Manahoana kosa ary ny
toetoetran’ny Mponina ao amin’izany
tanana mahafinaritra izany ?
Raha ny hita ao amin’ny boky tantara
isam-paritra dia tamin’ny manodidina ny taona 1823 no efa nahitana soratra
milaza ny fisian’ny Morarano.Ny azo antoka dia hatreo Morarano
andrefana amin’izao fotoana izao, mandalo amin”ny tanana rava ‘Andilana’
(“Andilana” dia tanana rava teo
analanelan’ Morarano ankehitriny sy Morarano andrefana) ka hatreo Ambaiboho
ankehitriny dia samy nantsoina hoe Morarano avokoa. . Voalaza tamin’izany fa toerana nametrahana
toby miaramila ity tanàna ity tamin’ny andron-dRadama Mpanjakan’Imerina.
Vava-lalana nampifandray ny faritra roa nalaza mantsy Morarano dia ny faritra
Antsihanaka sy ny faritra Marofotsy na koa hoe Ambaniandrefana. Nandeha
nampandry tany taty amin’ny faritra Antsihanaka tokoa mantsy Radama Mpanjaka
tamin’io fotoana io. Voalaza fa nandalo ireto tanana ireto izy sy ny tafika notarihany : “Morarano,
Ambohipeno , Amparafaravola, Ambohijanahary ary nandrava an’Anosy
( nosikely afovoan’Alaotra eo atsinan’Andilana avaratra ankehitriny)”.
Azo hamarinina amin’ny soratanan’Andriamatoa Ravonjena izany fisiana miaramila
tamin’ny tany fahagasy izany satria voalaza fa teraka tamin’ny taona 1869; 1 adijady izy. Ary raha vao 17
taona izy izany hoe ny oktobra 1886 dia narotsaka ho “marakely” izany hoe miaramila . Ary ny taona 1894 dia efa lasa
manamboninahitra mpifehy miaramila izy. Mbola tsy fotoanan’ny fanjanahantany
izany satria ny taona 1896 vao nanomboka ny fanjanahantany teto Madagasikara.
Fantatra koa fa izany Ramino izany no komandy nifehy ny faritany taty tamin’ny
taona 1897 (nipetraka tao Ambohitromby).Novonoin’ny Menalamba izy io fa
voampanga ho niray tetika tamin’ny vazaha mpanjanantany.
Raha ny soratra hita amin’ny
diarin’Andriamatoa Ravonjena ihany dia ny taona 1856 no nifindra tao Morarano
ambany (Ambaiboho amin’izao fotoana
izao) sy Tanandava ny olona avy tany Ambohidrony..Araka ny lovantsofina tokoa
mantsy dia tao Ambohidrony no nivantanan’ireo mpifindramonina avy tany amin’ny
faritry Vonizongo (Ankazobe).. Ambohidrony moa dia tanety afovoan-tanimbary izay mbola zetra
tany aloha. Sahala amin’ny nosy mihitsy Ambohiodrony ka lakana no niampitana
teny..Izany no nahatonga ny anarany hoe
Anosy ihany koa.Izany toerany izany no nahasarika ny mpifindramonina hipetraka
tao mba ho fiarovana ny tanàna amin’ny fahavalo isankarazany indrindra ireo”
jirika sakalava sy Marofotsy “na ireo antsoina hoe “Androvo” tamin’izany
fotoana izany Tsara ho
marihana anefa fa efa nisy olona talohan’izany ny tao Mahakary.Taty aoriana
kely dia niparitaka namonjy havoana noho ny antony tsy dia
fantatra loatra ireo mponina tao Ambohidrony ireo. Anisan’ny tanana voalaza fa
nifindrany tamin’izany Tanandava sy Morarano ambany. Azo hanamarinina
ny fivantanana tao Ambohidrony sy ny
fifindramonina misesy tamin’ireo tanàna
manodidina io ny fisian’ny famadihana sy fakana razana tamin’ireo tanana
niandohana ireo nataon’ny fianakaviana maro
teto Morarano toy ny tao Ambohidrony
(1969), Ankirikirika (Tanandava) (1971) Araka
ny lovantsofina dia nisy Mpifindra monina avy any Fihaonan’ny Vonizongo tonga
taty ; Mpihavana daholo izy ireo na
fara-fahakeliny tao anatina
fianakaviam-be iray. Azo eritreretina araka ny lovantsofina fa teo amin’ny
taona 1840 dia nisy mpifindramonina tonga ( tsy ny voalohany). Io taona
io dia nifanindry tamin’ny fanenjehana ny fivavahana kristianina nataon’ny
Mpanjaka Ranavalona voalohany. Azo heverina fa mety olona niala ireo enjika sy
tondro-molotra tamin’izany fotoana izany ny sasany amin’ireo fianakaviana ireo . Ny sasany kosa anefa dia mety ho antony hafa no nanesika
azy hifindramonina; filana ravin’ahitra, ny ady, na fiarahana amin’ny
fianakaviana… Tsy azo lavina io fiavian’ny mponina maro eto Morarano avy any
amin’ny faritra Vonizongo io satria ireo Joro fanao teo aloha raha hanao
zava-dehibe dia tsy hadinon’ny Tangalamena ny Miantso ireo razam-be any amin’ny
tendrombohitra faritra Vonizongo. Maro
ny olona miaina amin’izao hanoratako izao no vavolombelona naheno sy niaina
izany karazana joro miantso ny tendrombohitra any amin’ny faritra Vonizongo
izany nataon’ireo Raiamandreny teo aloha..Ary ireo Raiamandreny maro
mbola velona amin’izao fotoana izao ireo dia milaza sy manamafy izany
fiaviana avy any Vonizongo izany.
Eo koa ity fomba fiteny izay fantatry ny maro
aty na ireo tsy nandia sekoly aza dia ny
hoe “takarina daholo i Babay sy Lohavohitra”. .I Babay sy Lohavohatra
dia tendrombohitra any amin’ny faritra vonizongo somary mifanalavitra ihany.ka
ireo olona sady tiany aleha na tiany ho azo na tiany hatao daholo ny rehetra na
dia mifanalavitra aza no ilazana io fiteny io.. Noho
izany fiavian’ny mponina izany dia mora nandray filazantsara sy fivoarana ny
mponina .Azo heverina tokoa mantsy ny fisian’ny efa nahafantatra ny
filazantsara tamin’ireo mpifindramonina .Toerana fifindra-monina koa izy noho
ny antony maro (tany malalaka, mponina
misokatra ka tsy misakana ny mpifindra monina…) Nitohy
hatrany izany fifindra-monina izany nandritra ny fanjanahan-tany Ankehitriny
dia mbola toerana fifindra-monina sy filana ravin’ahitra eto Morarano amin’ny
maha-toerana mahavokatra sy midadasika azy ary ny mponina efa vonton’ny
filazantsara ka tsy misy ny fanilihana na ny fanavakavahana.
Famintinana
1823
Nametrahan-dRadama
Toby miaramila hampandry tany tao Morarano
1856
Nifindra tao
Morarano ambany izay nantsoina ihany koa hoe Ambany atsinanana ny mponina sasany tao Ambohiudrony.Faritra avaratra andrefana
amin’ny Ambaiboho amin’izao fotoana izao io (Manamorona ny ranon’Ampasimena ka
manakaiky ny toerana misy ny trano lehibe izay nantsoina hoe CEAMP teo aloha)
1897
Nanangana’ny
Vazaha Poste (toby miaramila fampandrian-tany; ka ny lieutenant Marchegay no
lehibeny) tao Morarano (Morarano amin’izao fotoana izao) Nisy tobin’ny
menalamba mantsy teto izay nanohitra ny fidiran’ny Vazaha sy ny fanjanahantany.
Tao andrefan’i Morafeno andrefan’ny Manakambahinikely ankehitriny no
nitobian’ireo Menalamba notarihan’i Ramenamaso. Noravan’ny vazaha io toby io
tamin’ny volana mai 1897 ka lasa nilefa tany an’ala ny olona tao sy ny mponina
maro tety. (512 no isan’izy ireo)
1898
Nodidian’ny
vazaha ny mponina tao Morarano Ambany mba hifindra aty Morarano poste tamin’ny faramparan’ny taona
1898
1900
Niantsoana
azy ho Morarano Atsimo mba hanavahana azy amin’ny Morarano Avaratra na Morarano
Ivakaka eo avaratr’Amparafaravola.
1965
Fitrandrahana
ny kraomita ao Andriamena ka natoby teto ary niantsoana ny tanana hoe
Morarano Chrome
Noho ny
tantarany sy ny fiavian’ny mponina ao aminy dia azo lazaina fa tanàna misokatra
ho amin’ny lafiny maro ny tanan’i Morarano.Nitahiry ireo vakoka sy soatoavina
Malagasy avy amin’ny faritra niaviany ny mponina.Niaina sy namolaka ny tontolo
manodidina azy . Rehefa nalalaka ny fitorianba ny filazantsara teto
Madagasikara dia nandray izany fivavahana kristiana izany ny mponina izay ho
jeren-tsika amin’ny fizarana manaraka ny momba izany.
2°Historique du temple
et de ses ramifications (Les
missionnaires du LMS :London Missionary Society)
2°Tantaran’ny Fitoriana ny Filazantsara sy ny
asam-pinoana
Raha izay ny tantaran’ny
Morarano sy ny mponina ao aminy dia inona kosa no azo ambara ny amin’ny
fitoriana ny Filazantsara ?
Raha ny
fantatra moa dia ny taona 1869 no nanorenana ny fiangonana voalohany tao
Morarano ambany (jereo boky faha 100 taona). Ireo mponina ireo dia mora nandray
ny fivavahana ka niroborobo fatratra ny fiangonana.
Niara-dalana tamin’ny fitoriana
ny filazantsara ny fananganana sekoly . Koa
azo antoka ny fisian’izany sekoly izany tamin’ny taona 1872 izay
notanterahan’ireo iraka nalefa taty na nataon’ireo misionera tonga voalohany. Marihana anefa fa
tamin’io fotoana io dia efa nisy olona roa nahavaky teny teto. Araka ny
fantatra dia efa maro ireo olona tamin’ny andro fahagasy (fa izay no filazan’ny
reo Ray amandreny azy) no nianatra sy nahay namaky teny; Izany hoy isika dia
nifandraika tamin’ny asan’ireo iraka (Malagasy) na ireo misionera Anglisy tonga
voalohany taty. Nitondra fivavahana kristianina ry zareo no sady nampianatra ny
olona taty ka ny teny Anglisy sy ny teny
Malagasy no nampianarina tamin’izany.
Tao Ambohitromby, tanàna eo
atsinan’Ambodirano ankehitriny no foiben’ny asa misiona ka nisian’ny sekoly sy nipetrahan’ireo
iraky ny misionera voalohany.
Ireto avy ny tantara tsara ho
fantatra momba ny fiangonana Morarano io. Efa voalaza amiin’ireo boky roa
voalohany ny sasany amin’ireto fa noezahana narindra kosa anefa mba ho mora ho azon’ny
mpamaky.Nofintinina ireo vanim-potoana lehibe nolalovan’ny fiangonana mba ahamora ny fahazoana sy ny fitadidiana
azy.
1869-1896
Ny fotoana
nijoroan’ny fiangonana dia mifanandrify
tamin’ny andro nitondran’ny Mpanjaka Ranavalona II.Nalalaka ny
fivavahana teto Madagasikara nanomboka tamin’ny nitondran’ny Mpanjaka
Radama II nodimbiasan-dRasoherina .Tsra ho marihana aza fa ny Mpanjaka Rasoherina dia nandray ny fahefany
niaraka tamin’ny Baiboly. Niroborobo ny fiangonana. Ka tamin’ny taona 1872 dia
hita fa nisy 180 ny mpiangona. -Mora nandray ny fivavahana ny mponina teto ka
maro ireo zanaky ny Fiangonana no lasa Mpitarika fivavahana, Mpampianatra ny
olon-dehibe; Solompitandrina na Evanjelistra mihitsy aza (Andriantonga (1875),
Ravonjena (sept 1919).Mbola mitohy ankehitriny izany fanoloran-tenanan’ny
zanaky ny fiangonana izany.
1896-1903
Nandalo
fotoan-tsarotra ny fiangonana .Maro ny antony
nahatonga izany.Teo ny fidiran’ny fanjanahan-tany ka nampisy ny fanoherana
nataon’ny menalamba.Nisy olona maro voatery nilefa tany an”ala. Teo koa ny
fifindran’ny tanana ho eto Morarano poste (Morarano chrome ankehitriny)
Nanoloana
izany fotoan-tsarotra nolaloovan’ny fiangonana izany dia nitsidika taty ny
misionera ny 10 juin 1903. Tonga teto
tokoa ny misionera Russillot sy ny Evanjelistra Razafindrazaka ka
nanentana ny finoan”ny olona taty ary ny 7 septembre 1903 dia nividy trano
zozoro hatao fiangonana ny mpiangona ka ireto avy no fantatra tamin’izany
mpiangona izany : Rainikotomanga,Razafitiana,Rasamoela, Razafinarivo,
Randriatsimiera, Ravero,Rakotovao,Razanaka,Rasoanta,
Rafotsiandriana,Randriamaro,Rafotsiniriana; Rafianarana, Ravelonjanahary,
Ramanga sns 18 no isany ka hatramin’ny
27.
1903-1932
Nanomboka nipetraka ny rafitry ny fanjanahan-tany.Velom-bolo
tsikelikely ny ny asam-pinoana izay
nandalo fotoan-tsarotra teo aloha. Nanomboka
niroborobo indray ny fivavahana ka
tamin’ny 10 avril 1908 raha naka ny
isan’ny Mpiangona teto Morarano ny fanjakana dia nahita 180 no be indrindra;
120 antonotonony ary 90 no kely indrindra. Nanantanteraka asa maro koa ny
fiangonana toy ny fividianana lakolosy;
harmonia nanao trano biriky sns
Tsara ho marihana manokana ny tantaran’ny harmonia.
Ny 12 novembre 1916 dia tapaka
ny hevitry ny fiangonana fa hividy Harmonia. Tamin’io andro io ihany dia nanao
tonona vola ka 213 frs 70 no azo. Niala
teto Morarano ny Evanjelisitra Rajoely sy Andriamatoa Randriamiarina
handeha hividy harmonia any Antananarivo ny 20 novembre 1918 ka ny 6 desambra 1918 dia tonga tao Anosiroa
ny Harmonia. Ny Alahady 15 desambrea 1918 no notendrena voalohany tao
am-piangonana izy io. 1015 frs no vidiny
(mbola ambonin’izay ny karama nitondrana azy taty.)
Harmonium viel de 100 ans Photo
Richard Morarano chrome
91 taona no
nisian’izao harmonia izao.Tokony hokajiana sy havaozina fa fanaka sarobidy sy
manantantara
Nisy ihany
anefa ireo olana nosedraina ka
anisan’izany valan’aretina marobe
(gripa, kitrotro, pesta ka nahavoatery ny fanjakana nanakatona ny fiangonana
nandritra ny fotoana voafetra.
1932-1938
8 octobre
1932 : Nisy fisarahan-kevitra tao am-piangonana noho ny fiveloman’ny
mpitandrina.Tonga taty ny Mpitandrina Ramambasoa rainy nandamina io olana
io.Nandalo koa ny Rév S.J Hutchins ny 2 juin 1935 ka voatery nandray fepetra
henjana nandroaka ireo tsy tia ny
mpitandrina tsy ho isan’ny mpiangona intsony. Ny 4 septambra 1938 vao tena
nilamina tanteraka ny raharaha rehefa neken’ny’ny fiangonana ho mpitandrina
teto Rajaonarivo mivady. Taorian’ny fifidianana izay nisafidianana’ny
fiangonana teo amin’ny Mpitandrina roa dia ny Mpitandrina Rajaonarivo izay lany
sy ny Mpitandrina Rambony.
1938-1960
Niroborobo
ny fiangonana.Naorina izao trano fiangonana lehibe izao
1960-1963
Nisy olana
nampivaky roa ny fiangonana teto.Ny ampahany dia nisintaka ka nanangana ny fiangonana
METM Ambaiboho. Toy izao ny filazan’ny sekreteran’ny fiangonana Andriamatoa
Ranaivoson Charles io zava-manahirana io :”Nandalo
teto Morarano ny cyclone mahery vaika iray.Cyclone izay namela olatra saika
nahapentina ny tantaran’ny fiangonana.Nivarahontsana ny fon’ny kristiana
maro.Aiza no aleha ? Inona no hatao ? Raha fintinina dia izao : kivy ; very
hevitra.” Tsy nisy Mpitandrina fotoana maro teto ka ny sabotsy 28 avril
1963 no tonga
ny Mpitandrina Razanajoelina Phillipe.
1963-1975
Niroborobo
indray ny fiangonana Maro ireo soritr’asa notanterahana. Pilopîtra; trano
vadim-piangonana sns…Niditra ao amin’ny sehatry ny FJKM (Fiangonan’I Jesoa
Kristy eto Madagasikara)ny fiangonana ny
taona 1968. Tao amin’ny asa misiona LMS (London Misionary society) no sahan’ny
fiangonana teo aloha.
Nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika ny fahazato taona
tamin’ny 4-7 septembre 1969.
Raha izay no fizotran’ny tantara ankapoben’ny fiangonana teto dia tsara
raha resahana manokana koa ireo zava-dehibe misongadina nampiavaka ny
fiangonana.
Fiangonana mpitory no azo ilazana azy satria tsy notazoniny ho
azy samy irery ny mazava izay noraisiny. Nanao ny asa fitoriana filazantsara
tamin’ny ireo manodidina azy ny kristiana teto ka ny 7 septembre 1919 dia najoron’ny
Mpandrain’ny fanasan”ny Tompo teto Morarano ny fiangonana tao Ambodifarihy izay
notokanana ny 1 fevrier 1920 (trano zozoro).Natsangana tao koa ny kristiana
Tanora ny 14 mars 1920.
Tsy hadino koa ny asa fanompoana maha-mpitandrina nataon’ireto
olona ireto : Ratsiafa; Raveloson, ary Ratsihavana .Ny 24 août 1922 mantsy no niorenan”ny
kolejy tao Imerimandroso-Ambohimitsinjorano.Nisy tovolahy dimy nandeha nianatra
tany avy teto amin’ny fiangonana Morarano kanefa niverin-dalana ny roalahy fa
ny telo kosa nahatody.
Nifanerasera akaiky tamin’ireo
misionera ny fiangonana ka ny tsara filaza amin’izany dia ny 25 juin 1922 izay
nanokanana ny Pasteur Henri Razanakolona.Nitarika io fotoana io Ny Réverend
David O Jones sy ny Pasteur Ravelojaona.
Ho famaranana ny tantara ankapoben’ny
fiangonana dia tsara raha ho resahantsika fohy ny tantaran’ireo sampana
vitsivitsy ao aminy. Noho ny fanomanana sy ny fotoana dia tsy voalaza
daholo ireo sampana rehetra ato am-piangonana. Inoana fa mbola hisy
fotoana sy toerana malalaka hilazana azy ireo.
Niara-niorina tamin’ny
fiangonana ny sampana sekoly alahady.Fampianarana ny ankizy sy ny olon-dehibe
izy io . Tsy afa-nisaraka tamin’io koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra
nataon’ireo iraka.
Tsy azo hadinoina koa ny
fisian’ny ireo mpifady toaka .Tamin’ny 29 janvier 1915 no niorenana ny
fikambanana mpifady toaka voalohany. Nanapa-kevitra izy ireo fa mivory isaka ny
roa volana ho fampiroboroboana ny sampana. Tsy nijanona tato am-piangonana
ihany ny fandraisan’andraikitra fa na dia teo anivon’ny isan’’enim-bolana na
isan’efa-bolana na isan-kerintaonan’Antsihanaka aza. Tamin’ny 2 avril 1916 dia Andriamatoa Ravonjena no
nitory teny tao amin’ny Fikambanana mpifady toaka tao Ambatondrazaka. Ary ny
oktobra 1918 dia vooafidy ho mpitahiry volan’ny Mpifady toaka rehetra eto Antsihanaka izy izay natao tao Imerimandroso. Voalaza fa
tena niroborobo tokoa io fikambanana mpifady toaka io tamin’ny fotoan’androny.
Misy ho eritreretin’ny taranaka ankehitriny izany.
Nijoro nanaraka izany ny Tanora
Kristiana izay sampana nitaizana ny tanora. Niroborobo tokoa io sampana io teo
amin’ny fiangonana. Taty aoriana moa dia niova ho sampana Tanora Kristiana izy io.Tsy hadino amin’izany ireo antoko
mpihira izay mitory ny filazantsara an-kira ary manentana ny
fanompoam-pivavahana.
Ny antoko
mpihira taona 2009. (sary photo
Richard)
Tsy azo hadinoina koa ny sampana
fifohazana.
Tonga voalohany teto Morarano ny
fifohazana mpianatry ny Tompo Soatanana (izay nantsoina koa hoe Apostoly) ny 6
mars 1906 . Nanampy betsaka ny asa fitoriana ny filazantsara izy ireo. Tsaroana
manokana eto ny asan-dRamatoa Rasoavelo izay maty tamin’ny taona 1957.
Fifohazana mpianatry ny Tompo avy any Soatanana izy io ary nanatanteraka iraka teto.
Taty aoriana dia nisy fotoana
nampirongatra ny ambalavelona taty amin’ny faritra Antsihanaka.Mba hiatrehana
izany dia maro no nanolo-tena ho mpiandry.Notokanana tao Vohidiala
Ambatondrazaka ny Mpiandry maromaro izay niofana tao Mahatsinjo ny 9 juin 1979.
Anisan’ny tamin’izany ny mpiandry Rabesahala
Daphiné izay zanaky ny fiangonana eto Moararano. Nanomboka sy nahazo vahana
ny fifohazam-panahy. Nandray fanapahan-kevitra ny sinodam-paritany
Amparafaravola ka nanorina toby fifohazana teto Betela Morarano chrome (1985) izay lasa anaran’ny fiangonana taty
aoriana kely.
Ny
Raiamandreny voalohany ny Toby dia Dada
Randriatrsaramahaleo Corneille izay zanaky ny fiangonana ihany koa. Ary efa
niofana ho iraka tany Soatanana.
Ankehitriny
(2009) ny Raiamandrenin’ny Toby dia Dada Randrianajainarisoa. 48 no isan’ny
mpiandry eto amin’ny FJKM Betela Morarano chrome izao.
Ireo
Mpiandry manao ny asa fampaherezana ao am-piangonana
Photo Richard Morarano chrome
Ny sampana Dorkasy dia tsy azo
sarahana amin’ny tantaran’ny fiangonana koa.. Ny 4 juin 1918 no niorenan’ny
fikambanana Dorkasy voalohany.Nanao asa maro
io sampana io .Ireto no zavatra tsara ho marihana mlanokana. Ny Dorkasy
dia manana antoko mpihira izay antsoina hoe
Koraita. Notokanana tamin’ny taona 2004. Ankehitriny dia mitsangana ny
antokom-pihira iraisan’ ny sampana roa dia ny SLK (Sampana lehilahy Kristiana)
sy ny Dorkasy. Antsan’I Betela no anarany ary notokanana ny 2 aogositra 2009.
Ny
Antoko Mpihira Antsan’i Betela.( Photo Richard)
Tsara ho marihana manokana fa ny sampana Dorkasy eto amin’ny FJKM Betela Morarano chrome dia
nanokana tetibola ho fitsinjovana ireo “madiniky ny Tompo”. Misy 5 (dimy) ireo
sahirana ara-pivelomana karakaraina ao. Iantohana fitafiana, sakafo sy trano
mandavan-taona ka ao Morarano andrefana ny toerana misy izany.
Sampana iray izay tsara ambara eto koa ny Tily sy
Mpanazava. Na dia sampana zandriny
aza izy dia manana ny andraikiny lehibe eo amin’ny sahan’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora.
Niorina teto amin’ny FJKM Betela
Morarano Chrome ny 4 mars 1989 ny Tily
sy Mpanazava.. Tamin’ny 7 aogositra 1989 no nambaran’ Andriamatoa R Solofo
Filoham-paritanin’ny TEM avy tao Ambatondrazaka tamin’ny Fiangonana fa mijoro
ara-dalana ny TEM fivondronana faha 8 eto amin’ny Fiangonana Morarano chrome.
Ireto ny daty tsara ho fantatra
sy ny Mpiandraikitra sasantsasany:
17 desambra
1989 : Nanaovana ny fanokanana ny
Fivondronana
Tarigetran’ny
TEM Fivondronana faha 8
Miloko mavo
ary voahodidina mainty ny fahitenda izay toy izao ny foto-kevitra fonosiny
Mavo : =
vary = Fiadanana (Foto-karen’I Morarano)
Mainty =
chrome =Fiaraha-monina (Hifanerasera amin’ny any ivelany sady mampiavaka an’i Morarano)
27-28-29-30-31
mars1989 : Lasy fanomanana Mpiandraikitra voalohany natao tao Beravitoto
Morarano chrome
Najoro ny
komitim-pivondronana ka ireto avy izany :
Filoha ; Razakandrainibe Ratsirimbola
Tonia : Randriarisolo
(1989-2000)
Ireo Tompon’andraikitra nampiroborobo ny Sampana
Sampana Mavo 1-Bakoniaina Angela Rufin Monique (AKELA)
2-Raketandriana Dominique (BAGERA)
3-Ranivoarisoa Isabelle (BALOU)
Sampana Maitso :Mpiandraikitra :Rasolofo Jaona
Sampana
mena :
Loholona :
Rajoeliarimamy Tianarivo
Mpanazava :
Razanatsoa
Florine sy ny namany
Tonia :
Rasolofo Elisoa Perline
Mpiandraikitra
Voronkely :
Mamy Jeanne
Mpanazava :
Rinah
Nanomboka
tamin’ny Zaikabe izay natao tany Ambatolampy ny aogositra 1999 dia niova ho
SAMPATI ny Mpanazava sy tily ka ireto avy ny Komitim-pivondronana
Filoha :
Rajoelison Celestin
Tonia :
Rasoarinirina Colette (1996-2009)
Mpiandraikitra
Sampana Mavo : Isabelle ; Razaiarimanana Heliarisoa
Mpiandraikitra
Sampana Maitso : Richard
Mbola maro no azo ambara raha ny
momba ireo sampana. Efa voalaza tany aloha fa noho ny fotoana teo amin’ny fanomanana dia tsy voalaza daholo
izy ireo ary ialan-tsiny amin’ireo sampana tsirairay. Ny tsara ho marihana
ankehitriny dia ny Vondrona fototra laika dia mbola tsy mijoro ato
am-piangonana .Koa heverina fa fotoanan’ny fanetsiketsehana izany izao fotoana
izao.
Raha fintinina dia mazoto
mivavaka ny kristiana ankehitriny ary mandray anjara mavitrika amin’ireo asa
fanompoana maro isan-karazany ato am-piangonana sy any amin’ireo rafitra
isan’ambaratongany.
Mba ahazoana sary an-tsaina ny
fiangonana amin’izao faha 140 taonany izao dia ireto misy tarehimarika
vitsivitsy :
-Isan’ny Mpiangona be indrindra
dia 1448 (krismasy)
-Amin’ny fotoana’ny fandraisana
dia mahatratra 1365 ny mpiangona (salan’isa io)
-Ny isan’ny mpiangona
vitsy indrindra dia 583.
Ankehitriny
dia misy Mpandray ny fanasan’ny Tompo 450 ato am-piangonana. Ary misy
katekomena 62 miomana .
Ireo
mpivavaka natao indray mijery ny alahady 9 Aogositra 2009.Photo Richard
Morarano chrome…
. Raha izay 140 taaona izay dia ho
boky lehibe tokoa kanefa dia ireo aloha no
voalaza momba ny tantaran’ny finoana sy ny asa fitoriana ny filazantsara
teto. Tsara ho marihana anefa fa anisan’ny fianagonana manana trano fivavahana
lehibe ny FJKM Betela Morarano chrome. Izany trano izany dia efa tonga amin’ny
faha 50 taonany ankehitriny. Koa rariny sy hitsiny raha omena toerana manokana
eto izany asa fanorenana izany..
3°Tantaran’ny Fanorenana trano fiangonana.
3-Historique de la construction
du temple
“Hoy Jehovah
Tompo tamin’ny andron’i Hagay
Mpaminany : « Ny voninahitry ity trano ity any am-parany dia
ho lehibe noho ny tany aloha… ». (Hagay 2 ; 9a)
Isaorana
anie Jehovah fa marina ara-bakiteny io raha ny tantaran’ity Fiangonana ity no
heverina. Niandoha tamin’ny trano zozoro ka tonga amin’izao trano biriky
tanimanga sy vodivato lehibe sy mihezinezina izao.”
Ireo
fehezanteny ireo dia nalaina tamin’ny asa soratra tahiry ary noventesina
tamin’ny 12 sy 13 octobre 1963 andro
nitokanana tamin’ny fomba manetriketrika
ity trano fiangonana lehibe ity. Hafaliana tsy misy toy izany tokoa
mantsy ny an’ny vahoakan’Andriamanitra teto tamin’izany fotoana izany satria
nody ventiny ny rano natsakaina.
Eto dia
tsara tsiahivina ireo tantara nolalovan’ny fanorenana trano fiangonana teto
Morarano. Izany dia ahafahantsika manao indray mijery ny fizotra ny tantara
nandritra ny 140 taona.
1869-1897 :: trano zozoro ratsiratsy araka ny
filazan’ireo mpianatra roalahy avy any
Faravohitra Antananarivo tamin’ny taona 1872. (Boky faha-zato taona; pejy 2)
(Morarano ambany)
7 septembre 1903 :
nividy trano zozoro hatao fiangonana ny mpiangona (Morarano poste)
1 avril 1906 : Niheverana ny hanaovana trano biriky ho
trano fiangonana.Ny tonona indray
alahady nataon’ny mpiangona dia vola 350
farantsa sy biriky an”aliny vitsy sy hazo…
1 sept 1906 Nihady fototry ny Fiangonana (trano biriky)
14.15 octobre 1911 :Nitokanana ny trano fiangonana (Efa vita
koa tamin’izany ny pilopitra)
1 novembre 1913 :
Nanorenana ny trano hipetrahan’ny Evanjelisitra
6 mars 1927 :
ravan’ny cyclone ny trano fiangonana teto Morarano
7 mars 1927 :
namboarina ilay trano rava mba ahafahana mivavaka; Tafo ravina avy any an”ala.
5 sept 1927 :
nanangana trano fiangonana vaovao (trano biriky) Tamin’ny 1932 vao vita tafo
fanitso io fiangonana io.
Io trano fiangonana io dia nisy fanamboarana sy
fanatsarana miandalana ka izany no
nahafahana nampiasa azy taona maro.
1954 : Nanomboka
nanentana ny olona Andriamatoa Razafindraibe Joseph Mpitandrina mba hitodika
amin’ny fnorenana trano fiangonana
lehibe sy vaovao.
Efa nokarakaraina tamin’izany ny vato malao ka nalaina tao
amin”ny carrière Ampanasampamaky (andrefan’I Morarano) sy tao Ampasambazimba
(Mandena).Rehefa lasa ny Mpitandrina
Razafindraibe dia nanohy ny asa ny Mpitandrina Rakoto Johnson
Volana febroary 1958
no nivory nanapa-kevitra ny ankatoky ny fandraisana fa haorina ny
Tempoly lehibe ho fanantanterahana ny zavatra efa voavinavina teo aloha.
Natao ny fombafomba rehetra
ahafahana manao ny asa.(autorisation de construire)
Ny mpandrafitra :
Rabarijaona sy ny namany avy any Ambohitseheno Antananarivo izay nokaramaina
87 000 ariary (Fito arivo sy valo alina ariary).Ny fiangonana no miantoka
izay ilaina rehetra (matériaux de construction) sy ny sakafon’ny mpandrafitra.
Natao ny fiadiana fototra tamin’ny alakamisy 7 mai 1959:
Tonga marobe tokoa ny mpiangona tamin’izany .Ny isany dia azonao alaina sary an-tsaina fa “vositra iray
makadiry no novonoina ka nohanin’ny mpiasa rehetra ary lany sy ampy tsara”.Natomboky
ny Mpitandrina tamin’ny fanompoam-pivavahana ny fotoana tokony ho tamin’ny 8
ora maraina teo ka hariva ny andro vao nisaraka teo.
Nisy fientanana be sy fiaraha-miasa teo amin’ny vahoakan’ny
fiangonana na lahy na vavy na kely na lehibe. Tao ny nampiasa ny sarety na ny
omby sns.Ny fitaterana ny biriky sy ny fakana ny hazo tany an’ala no tena nisian’ny firaisan-kina.
Ny vehivavy dia nahandro ka tamin’ny voalohany dia taty an-tokotanim-piangonana no nahandro nadeha
tsiroaroa .Taty aoriana dia nozaraina isan-tokantrano ny fandrahoana ny
sakafon’ny Mpiasa.
Taona iray taty aoriana dia tafatsangana tanteraka ny
rindrina sy ny tolana ary volana vitsy taorian’io dia vita koa ny tafo.
Andriamatoa Rakotonanahary no nanao ny tolana rehetra.
Nisy ny fiantohan’ny tsirairay fanitso ka raha ny voasoratra
dia 1 ka hatramin’ny fito no fandraisana anjara hita. Marihana fa nanao ny ainy
tsy ho zavatra koa ny Mpitandrina Rakoto Johnson tamin’ny fanentanana ny
Kristiana sy ny fanaraha-maso ny asa rehetra.In-droa isan-kerin’andro ny
Mpitandrina no mankany Maheriara (20
km) mba hanara-maso ny asa hazo tany. Nanapakevitra
hividy bisikileta ho azy ny fiangonana
mba ahafahany mivezivezy.
Taiza kosa ny loharanom-bola nanaovana izao trano izao ?
Ny voka-dehibe no loharanom-bola niasan’ny fiangonana. : ny
ankizy nanao 200 ariary; ny lehibe 1000 Ar ka hatramin’ny 5000 Ar.Nisy ny
nanome vokatra maro samihafa , toy ny taozavatra, akoho, gisa, kisoa hatramin’ny omby vositra aza sns…Tsy nisy ny fanampiana manokana avy any ivelaan’ny
fiangonana.
Taorian’ny
fitsanganan’ny trano vita tafo dia nozaraina ny asa fanadiovana sy ny lalotra:
-Ny Dallage
dia ny sampana Dorkasy no nahavita azy tanteraka
-Ny
fitaratra rehetra sy ny momba ny varavarankely dia ny sampana Kristiana Tanora
no nanao azy
-Ny lalotra
amin’ny rindrina dia niandraiketan’ny
fikambanan-dehilahy.
Nidirana voalohany tamin’ny
noely 1960 ny trano ka tsy nisy hafaliana mihoatra izany. Notokanana ny trano
trano fiangonana ny sabotsy12- sy alahady 13 octobre 1963.
Toy izao ny
fijoroana vavolombelona nosoratan’Andriamatoa Ranaivoson Charles sekreteran’ny
fiangonana tamin’izany :”An’Andriamanitra tokoa ity trano ity ka hainy ny mampiasa ny olona rehetra hanao
sy hanalehibe ny tranony ary hainy hatao ny mandrotsaka loharanom-pitahiana
hahatomombana izany satria Andriamanitra
manan-karena izy”
“Jehoovah o
! Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro rehetra … Te ho voky
zavatsoa ao an-tranonao izahay dia ny zavamasina ao amin’ny tempolinao .
Tsy nitsahatra teo akory ny asa
fanorenana fa nisy hatrany ny fanatsarana sy ny fanamboarana vaovao. Ny alitara
: Ny alatsinainy 4 avril 1966 maraina ny fotoam-pivavahana ho fanorenana ny
alitara vaovao sy fametrahana ny vato fehizoron’ny alitara.
Nisy ny
fanaovana ny tamboho. Ny fanamboarana ny
rihana avaratra aloha vao nasiana elatra andrefaana sy atsinanana.
Tsy levon’ny tantara akory ny
hafanam-po hanatsara ny fiangonana. Koa amin”izao faha 140 taoana izao dia misy
fanatsarana lehibe izay tanterahana ary mitentina eo amin’ny 100 tapitrisa
farantsa eo ho eo.
Azo lazaina tsy am-piambahambana
fa anisan”ny tsangambato lehibe
mahatalanjona itony trano fiangonana itony.Izahay dia tsy misalasala hiantso
azy hoe: “ Ilay zava-mahatalanjon’ny
finoana “ taty Alaotra.Marihana
mantsy fa tamin’ny taona 1959 izany dia mbola maro ny trano zozoro teto.Ny
trano nitoeran”ny olona koa dia trano madinidinika .Io trano fiangonana io
izany dia mitahiry ny herim-po sy finoana nanan’ireo Raiamandreny. Koa mendrika
ho tsiahivina amin’ny tantara tahaka ireny piramidan’i Egypte ireny. 50 taona
tokoa mantsy izao no nierenany teto
amin’ny Vohitra Morarano chrome.
50 taona
izao no nijoroan’izao trano fiangonana lehibe izao (Photo Richard)
(Le miracle de la foi)
4°Les fruits de
l’Evangile et l’impact de la foi
chrétienne dans la vie quotidienne de la population
4°Ny vokatry ny filazantsara
Hoy ny voalazan’ny Filazantsara
ao amin’ny Matio 7 : 18 “Ny hazo tsara
tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Izany
teny izany dia mitarika antsika hanadihady ireo vokatry ny filazantsara teo
amin’ny fiainan’ny olona an-davan’andro. Fanadihadihan izay natomboka ary tsara
raha mbola tohizana satria maro no mbola manana zavatra ambara ny amin’izany.
Ireto zavatra hambara manaraka ireto dia fanadihadihana nataon’ny mpanoratra
manokana ka nosoratana mba hatao toy ny
voakazo an’ala ka ny mamy atelina ary ny mangidy ariana.
Tamin’ny volana jiona 1901 no
niompiana kisoa voalohany teto ka Ingahy Rasamoelina Mpampianatra sady
kristiana no niompy azy. Araka ny voalaza mantsy dia fady kisoa ny toerana ka
tsy sahy nandika izany ny mponina. Noho ny finoana nananan’Ingahy Rasamoelina
Mpampianatra teo ami’ny sekolim-panjakana teto sady kristiana nafana fo dia
niroso tamin’ny fiompiana kisoa ny olona. Ary ankehitriny dia fantatry ny
rehetra fa anisan’ireo toerana misy tsenan’ny kisoa velona ny tsenan’ni
Morarano chrome.Foto-piveloman’ny mponina maro ny fiompiana kisoa ankehitriny
ary sakafo ho an’ny vahoaka.
Andao ho
resahantsika indray ny momba ny fanambadiana. Araka ny fantatra dia hafa noho
izay hisainantsika azy ankehitriny ny fanambadiana teo aloha indrindra ho
an’ireo tsy kristiana. Tsy mba sarotra ny fisarahana fa mora foana ary miovaova
vady matetika ny olona.Misy fitenenana roa ireto izay voasoratra tamin’ny
raki-tsoratr’Ingahy Ravonjena : “Ny fanambadiana dia tsy mba nafehy fa
nafandrotra” . Izany dia milaza fa mora rava ny fanambadiana ka
hisaorana ny vady dia mitady hafa. Hoy ihany koa ny voalaza :”Ny fanambadiana
dia “hazakazaka
niaraha-nanao ka raha disaka miara-mijanona”. Voalaza fa “saika tsy
misy olona izay tsy manova vady na vehivavy na lehilahy afa-tsy vitsy foana”.
Niova io fomba fijery io indrindra ho an’ireo olona izay niditra ho isan’ny
fiangonana. Araka ny voalaza ao amin’ny Heb 13 :4a “Aoka hana-kaja amin’ny olona rehetra ny
fanambadiana”.Noho ny Filazantsara dia maro ny olona no mmanorina ny
fanambadiany araka ny soratra masina ka zary zary tanteraka ny tonokira manao
hoe :”Ny fitia vita voady…vita voady ho doria “
Fatatry ny rehetra koa fa misy
fady maro aty Antsihanaka. Anisan’ny fady iraisan’ny rehetra aty ny fady miasa
tanimbary ny andro alakamisy. Tsy hiady hevitra momba izany isika eto na sanatria hanao fifandirana fa ny azo
lazaina dia efa niala tsikelikely eto amin’ny mponina Morarano sy ny manodidina
io fomba fijery io.Miha-mahazo vahana ny fahalalahana ka ho an’izay mitana azy
sisa ny fady alakamisy raha ny eto Morarano no jerena.Marihana etoana fa tsy
mbola ohatra izany ny fijery ny fady any amin’ireo faritra maro aty Alaotra na
dia amin’izao fotoan anoratako izao aza. Satria misy ny faritra izay manery ny
mponina rehetra ao aminy na ny kristiana aza hanaraka ny fomba sy ny
fadin-tany. Ireo fomba mifanohitra amin’ny finoana kristiana no tiako ho
lazaina eto.
Raha jerena ny tantaran’ny fitoriana ny filazantsara teto Madagasikara
dia somary misy fizarana roa ihany ny fiainan’ny olona indraindray .Ny fiainana
ara-panahy sy ny fiainana ara-nofo. Ny tiana ambara dia mbola mifangaro ao
amin’ny fiainan’ny sasany ny finoana ka tsy mahagaga raha hanao batisa ny zanany izy dia mankaty am-piangonana
(ara-panahy) fa rehefa hatao hasoavana kosa io zaza io dia hitadiavana andro sy
angatahana joro any amin’izay mahay izany (ara-nofo). Ny zavatra mitovitovy
amin’izany no tiako ambara etoana. Amin’ny zava-dehibe maro eo amin’ny fiainany
(fanambadiana, fanaovan-trano, aretina sns..) dia mbola maro ny kristiana no
manalavitr an’Andriamanitra. Tsy mba toy izany anefa ny eto Morarano. Efa fomba
fanao izao ny miantso ny Mpitandrina raha hiady fototra trano, na hitso-drano
fanambadiana na hanatatnteraka zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Ny Mpitandrina
eto an-toerana izay nifampiresaka taminay dia nanamafy izany filazanay izany. Tonga
hatrany amin’ny fiainana an-davan’andron’ny mponina ny finoana fa sy mijanona
ao am-piangonana fotsiny ihany.Miha afaka ny tahotra sy ny finoanoam-poana.
Farany dia misy zavatra lehibe
tsy maintsy lazaina amin’izao faha 140 taonan’ny fiangonana izao: ny fiangonana
FJKM Betela Morarano chrome dia nanome trano ho an’ny Mpitandrina mianakavy
hiatrehany ny fisotroan-dronono. Efa vita io trano io ary ho tokanana amin’izao
faha 140 taona izao. Tsangambato lehibe izany ary toe-tsaina mendri-piderana sy
inoana fa ho falain-tahaka ho an’ny Fiangonana rehetra. Sadaikatra tokoa mantsy
ny saina indraindray mieritreritra ireo mpanompon’Andriamanitra sasany izay tsy
mba manana ny ianteherany amin’ny fotoana hisotroany ronono sy amin’ny
fahanterany. Nanoka-tena ho an’Andriamanitra ireny olona ireny ka rariny sy
hitsiny tokoa rah hanaovana trano hipetrahany amin’izao hisotroany ronono izao.
Marihana mantsy far aha ny tantara izay voalaza eo aloha no jerena dia antonym
nampisy olana lehibe tato am-piangonana ny fiveloman’ny Mpitandrina ny taona
1932 ka nampivaky ny fiangonana. Efa nialan’ny Fiangonana lavitra izany
toe-tsaina izany ka izao tonga amin’ny ezaka lehiba nanome trano hipetrahan’ny
mpitandrina mianakavy handeha hisotro ronono izao.
Mbola maro ny zavatra azo ambara
kanefa heverina fa ampy aloha izay amin’izao fotoana izao satria efa tonga lehibe ny
boky.Entanina ny rehetra hifanakalo hevitra sy hifampilaza ny amin’ny zava-tsoan’ny
filazantsara eo amin’ny fiainany. Fijoroana ho vavolombelona izany ary
fitoriana ny filazantsara ho an’ny hafa mbola misalasala.
CONCLUSION
Teny Famaranana
Mamintina ny 140 taona nisian’ny
Fiangonana ity boky ity. Nolazaina tato koa ny momba ny mponina sy ny tanàn’i
Morarano. Fohy ihany ny voasoratra raha ny fotoana nisiany no jerena.Noezahina
nofintinina ireo vanim-potoana
lehibe nolalovan’ny fiangonana.Azo
lazaina fa mora nandray ny finoana ny mponina teto noho ny tantara izay
niaviany.Ny Filazantsara izay noraisiny dia nihatra teny amin’ny fiainan’ny
olona an-davan’andro ary nihanaka tamin’ny manodidina rehetra. Tahaka ilay
fanoharana nataon’i Jesoa momba ny fanaovan-jiro izay napetraka teo amin’ny
toerana avo ka nampahazava ny manodidina rehetra (Mat :5 15).Tahaka ilay
voatsinapy izay kely noho ny voa rehetra, kanefa rehefa voafafy amin’ny tany dia naniry sy nihalehibe sy mandrantsana vaventy
ka nialokalofan’ny voro-manidina (Mark 4 : 31-32).Izany no nahatonga anay
nanome lohateny ny boky hoe : “Ilay voa nafafy miorim-paka sy
mamoa”.Miorim-paka tokoa sady mamoa vokatry ny fanahy. Ary inoana fa izany
vokatra izany no ho fanilo miampita ka “tsy ho levona ny finoan’ny” taranaka
mifandimby. Ny tantaran’ny faha 140 taona dia mitarika ny saina handray ny
fanamby goavana nanan’ny zoky
Raiamandreny ka hamaritana ny vina ho an’ny taona manaraka. Ny tantara koa izay
manamafy fa ny finoana arahin’asa dia mahavita mamindra tendrombohitra ho any
an-dranomasina. Koa mahereza ry taranaky ny faha 140 taona farito ny vinan’ny
taonjato manaraka izay azo antenaina fa ho finoana “ mahay ny zavatra rehetra.”
(Mark 9: 23b) Ho tahian’Andriamanitra anie isika !
Ny Mpanoratra.
Noms des diacres en activités et les anciens de l’Eglise.
Ireo Loholona sy Diakona am-perin’asa
Loholona
lehilahy
|
Loholona
vehivavy
|
Ramelison Rémi
|
Raharijaona Elinah
|
Rakotonjanahary Emile
|
Razoelinoro
|
Rakotoniaina Benjamin
|
Rasoazanaketaka
|
Robson
|
Ralinivosoa Henriette
|
Randriamandimby
|
Rameriarisoa Margueritte
|
Ravoninjatovo Gabriel
|
Raharimanana Marie
|
Randriamihaingo
|
Razafindramiadana Marthe
|
Ranaivombelo
|
Rasoarisata
|
Rzafimahaleo Ernest
|
Ralakoarivony Claire
|
Razaiarimalala Délphine
|
|
Ravaoarimanana Céléstine
|
|
Razanatsoa Florine
|
|
Diakona Lehilahy
|
Diakona Vehivavy
|
Randriamiharison
Maurice J.Bruno
|
Rasoarivelo
|
Ramanantsoa
Romule
|
Rasoarimbolanindriana
Emerentienne
|
Ralamboniaina
Hajason
|
Razanatseheno
Isabelle
|
Rivoharisaina
Léon
|
Rasoarifeno
Emelie
|
Randriamiaramandefitra
Nirison
|
Razafimiarantsoa
Fanjanirina
|
Ranaivombeloarisoa
Lantoniaina
|
Rasoarizanany
Clochie
|
Randriamihajambolasoa
Eugène
|
Rasoahelimanana
Perlette
|
Malaza
Herisoa
|
Raketabololona
Jeanne
|
Raharison
Victor
|
Rahanitrarivelo
A Haingo
|
Randriarisoa
Ernest
|
Randrianarisoa
Vola
|
Rakotondranosy
Jean Claude
|
Rasoarimamonjy
Albertine
|
Randrianamboarinarivo
Roger
|
Razanadrafara
Hélène
|
Ravelojaona Alison
|
Ralalaoarisoa
Juliette
|
Rajoelison
Céléstin
|
Ravaoarivelo
Adeline
|
Rajaonalison
Paulinot
|
Andrianaivoravelona
Sahondra
|
Rabemanantsoa
Arthur
|
Rasoafara
Marie Angèle
|
Rabeson Daniel
|
Rasoamalala
Antoine
|
Randriarisoa
Edvint
|
Rahelisoa
Perline Françoise
|
Razakandretsa
Edouard
|
Ranivolalaonirina
Josette L.
|
Ravelojaona
D Paulin
|
Ralalaharinivosoa
Mariette
|
Randrianarisoa
Julien Rémi
|
Rondromalala
Clémence
|
Rameliarijaona
Richard
|
Raharintsalama
Benjarisoa
|
Rakotoarisaina
Jean Patrick
|
Razanfindrahaly
Eveline
|
Rafanomezana
Marc
|
Ravaoarisoa
Angèle
|
Randrianasolo
Jean de Dieu
|
Rakalovahiny
|
Randriarisolo
|
Alisoa
Alisette Vivianne
|
Rabevandisoa
|
Razafiarivelomanana
Marcelline
|
Rambeloarison
Martin René
|
Razafimihaja
Liva Jeaninne
|
Rakotomalala
Samuel
|
Rasoarinirina
Colette
|
Rakotosoa
Georges
|
Razanamanana
Jeanette
|
Rajoelison
Félix
|
Ramariarivelo
Angèle
|
Ralijaona
|
Razanamily
Délphine
|
Andriamahafehinihery
|
Les membres du comité de la célébration du 140é anniversaire et le
secrétariat du temple.
Ireo komitin’ny
faha 140 taona
Filoham-boninahitra :
|
Ramelison
Rémi
|
Filoha :
|
Raharison
Victor
|
Filoha lefitra :
|
Randriarisoa
Ernest
|
Mpitantsoratra 1 :
|
Ranaivombeloarisoa
Lantoniaina
|
Mpitantsoratra 2 :
|
Rafanomezana
Marc
|
Mpitantsoratry ny vola ;
|
Ravaoarisoa
Angèle
|
Mpitahiry vola :
|
Ralamboniaina
Hajason
|
Vaomiera teknika :
|
Raharison
Dimby
|
Rakotoniaina
Benjamin
|
|
Rabe
France
|
|
Ranaivoson
|
|
Rabevandisoa
|
|
Andriamiaramandefitra
Nirison
|
|
Randriamampionona
Albert
|
|
Vaomieran’ny vola :
|
Ralalaharinivosoa
Mariette
|
Rasoarimanitra
Olga
|
|
Raharintsalama
Benjarisoa
|
|
Randriarimanana
Richard
|
|
Randrianasolo
Jean de Dieu
|
|
Vaomieran’ny Serasera :
|
Malaza
Herisoa A
|
Ravalison
Noël
|
|
Razaiarimanana
Heliarisoa
|
|
Razanatsoa
Florine
|
|
Rasoazanamily
Délphine
|
|
Andriamahafehinihery
|
Ireo Sekreteran’ny
Fiangonana
-ROBSON
-RAVELOJAONA
Dimbiniaina Paulin
-RANIVOLALAONIRINA
Josette Lydia (Mpisolo toerana)
FANDAHARAM-POTOANA FANKALAZANA NY
FAHA 140 TAONA
FJKM BETELA MORARANO CHROME
22 aogositra-30 aogositra 2009
-------------------
Daty
|
Fandaharana
|
Asabotsy
22 aogositra 2009
|
Maraina : 9 ora sy
sasany : Fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny Sinodamparitany Alaotra chrome
-Fanokanana ny Tsangambaton’ny faha 140 taona
-Fanokanana ny trano natolotry ny Fiangonana Betela
Morarano chrome ho an’ny Mpitandrina Razafinarivo Henri mianakavy
Mitarika : Ny Prezida Sinodaly : Atoa Antoine Paré
Mpitandrina
Mitoriteny :Ny Sekretera Jeneraly Foibe FJKM Atoa
MARINASY Mpitandrina
Misy Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
Hariva : 7 ora :
Rindrankira ara-pilazantsara tontosain’ny antoko Mpihira “ny Maintimolaly”
|
Alahady 23
aogositra 2009
|
Maraina :9 ora
Fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny Fiangonana reniny
-Fandraisana katekomena ho Mpandray ny fanasan’ny
Tompo
-Fanolorana Certificat ho an’ny Mpandray maharitra
Faranana amin’ny fiaraha-mandray ny fanasan’ny Tompo
Hariva : 7 ora
Fampisehoana iarahana amiin’ny Atoko Mpihura “Antsan’ny Betela” ‘SLK +
Dorkasy)
|
Alatsinainy
24 aogositra 2009
|
Maraina
9 ora Fanompoam-pivavahana iraisana iarahan’ny Sampana Dorkasy sy SLK
Tolak’andro : 2 ora
Fanatanjahan-tena
|
Talata 25
aogositra 2009
|
Maraina
9 ora Fanompoam-pivavahana tarihan’ny Sampana SAMPATI sy STK
Tolak’andro : 2 ora
Fanatanjahan-tena
|
Alarobia
26 aogositra 2009
|
Maraina
9 ora Fanompoam-pivavahana tarihan’ny Sampana Sekoly Alahady
Tolak’andro : 2 ora
Fanatanjahan-tena
|
Alakamisy27
aogositra 2009
|
Maraina
9 ora Fanompoam-pivavahana tarihan’ny Sampana Fifohazana sy Crox bleue
Tolak’andro : 2 ora
Fanatanjahan-tena
|
Zoma 28
aogositra 2009
|
Atoandro :
Mariazy
Tolak’andro : 2 ora Fanatanjahan-tena
|
Sabotsy 29
aogositra 2009
|
Maraina
9 ora Fanompoam-pivavahana
Mariazy miara-mizotra
Fizarana “Certificat” ho an’ny fanambadiana
maharitra
Hariva : 7 ora Rindran-kira
ara-pilazantsara tontosain’ny Antoko Mpihira sy ny STK
|
Alahady 30
aogositra 2009
|
9 ora maraina : Fanompoam-pivavahana iarahana
amin’ny Taranaka sy ny zanaka am-pielezana
Fanaovana Batisa
Fizarana “Certificat” Fanompoana maharitra Birao,
Diakona, Mpiandry sns
Faranana amin’ny fiaraha-mandray ny Fanasan’ny Tompo
Hariva : 7 ora
Fampisehoana iarahan’ny zanaka am-pieleza,na sy ny eto an-toerana
|
Isaia 41:10. "Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho." Ho ao amin'ny mponin'ny Morarano Chrome anie ny fahazavan'i Kristy.
RépondreSupprimer