Ce document est écrit par ANDRIARINIVOMANANA HARISON Pour nous contacter +261346887584 ou artvavaka@gmail.com
MISIONA EVANJELIKA TERATANY ETO MADAGASIKARA
MISIONA EVANJELIKA TERATANY ETO MADAGASIKARA
M E.T.M
FIANGONANA METM FILADELFIA
AMBAIBOHO
MORARANO CHROME
Faha-dimampolo taonan’ny
Fiangonana METM Filadelfia Ambaiboho
1962-2012
Finoana mamaka sy miorina mafy amin’ny fitiavana.
Ambaiboho,
faha 21 oktobra 2012
(Photo 3F)
Pasteur Jules Rakotomaro mivady
Fisaorana
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika manana izao boky
mirakitra ny tantaran’ny faha-50 taona niorenan’ny fiangonana METM Filadelfia
eto Ambaiboho izao. Ny fahasoavan’Andriamanitra tokoa no nitantana ny
fiangonana ka nahatratrarany izao jobily
volamena izao. Ho Azy mandrakariva anie
ny voninahitra .
Isaorana
ireo mpiara-miasa izay nifanampy teo
amin’ny fanomanana izao boky izao. Andriamanitry ny fiadanana anie hanome
valisoa ho anareo.
Marihana
etoana anefa fa tsy afaka mihambo ho mahalaza ny zavatra rehetra tokony ho
lazaina ity boky kely ity. Azo antoka fa mbola maro no tokony ambara koa maneho etoana sahady ny fialan-tsiny raha misy banga na mitongilana ny voarakitra ato. Misy ny
boky volamena azo hanoratana ny banga ho famenon’izay voalaza ato.
Photo
3F Ambaiboho sy Andriarinivomanana Faly no naka ny sary rehetra ato amin’ity
boky ity.
Ankasitrahana
etoana koa ny fiangonana sy izay rehetra niara-niasa teo amin’ny fanatontosana
na mivantana izany na ankolaka.Na dia tsy voasoratra eto aza ny
anaranareo dia fantaro fa hitan’Andriamanitra ny ezaka nataonareo.
Misaotra tompoko .
Ny Mpanoratra
Andriarinivomanana Harison
Teny
Fanolorana
“Misaora an'i Jehovah ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny
anarany masina. Salamo 103 : 1,2
Izany
teny fisaorana nataon’i Davida Mpanjaka izany no entiko manomboka izao teny
fanolorana izao. Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitahiany sy ny fitantanany ka afaka nahatratra ny faha-50 taonan’ny
fiangonana METM Filadelfia Ambaiboho .
Ny Fiangonan’Andriamanitra
dia indraindray misedra ady sy sakana :
ady noho ny fitapitak’i Satana mahazo ny zanak’Andriamanitra, nefa misaotra ny
Tompo isika fa najorony ny fiangonana vavolombelona ka afaka nitory ny
filazantsaran’i Kristy ilay
fahazavan’izao tontolo izao teto Ambaiboho nandritra ny dimampolo taona. Afaka mankalaza soa aman- tsara izao jobily faha- 50 taona
niorenan’ny Fiangonana METM Filadelfia eto Ambaiboho izao ary isika, ka
“manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” .(Rom 8: 37).
Tsara
tokoa ny mametraka tantara voasoratra ka ho lova ho an’ny taranaka mifandimby.
Koa isaorana ireo taranaka ankehitriny izay
mitrandraka ny tantaran’ny fiangonana ka nanoratra azy ho boky amin’izao
faha-50 taonan’ny fiangonana izao. Andriamanitra fitiavana anie hitahy izao asa
soratra izao hanovozan’izay mamaky sy mandalina azy finoana velona sy
matanjaka.
Ho amin’ny
isan-tokantranontsika sy ny taranaka mifandimby anie ny fiadanan’ny Tompo .
Ho an’Andriamanitra
irery anie ny voninahitra !
Ambaiboho, oktobra
2012
Pasteur
Jules Rakotomaro
Fampidirana
Araka
ny fanapahan-kevitry ny fiangonana METM Filadelfia Ambaiboho dia ankalazaina
amin’ity taona 2012 ity ny faha-50 taonan’ny fiangonana. Fety lehibe ho an’ny
taranaka ankehitriny tokoa izany vanim-potoana izany koa maro ireo fihetsiketsehana natao hanamarihana
izany Jobily volamena izany.
Anisan’izany ny fanatsarana manontolo ny trano fiangonana izay nohavaozina
tanteraka ny tafo sy ny loko.Nisy koa fanitarana sy fanatsarana maro izay natao.
Tapaka
tamin’izany koa fa hosoratana ny boky kely mirakitra ny tantaran’ny fiangonana
mba ho lova mipetraka ho an’ny taranaka mifandimby sy ho famelomana ny afom-pinoana ao anatin’ny
taranaka ankehitriny.
Ho hitantsika ato
anatin’ity boky ity ny :
-Niandohan’ny
fiangonana ;
-Ny lalana nodiaviny ary
-Ny fiangonana
ankehitriny.
NY NIANDOHAN’NY FIANGONANA
Raha
araka ny tantara dia tsy mbola nisy fiangonana nijoro teto Ambaiboho talohan’ny
taona 1962. Nisy kosa anefa ireo kristiana izay efa nandray ny fahazavan’i
Kristy ka nandeha nivavaka tany Morarano chrome .Tamin’ny taona 1962 no nipoitra ny hevitra voalohany
hanangana fiangonana eto Ambaiboho.
Niainga
tamin’ireo kristiana tao amin’ny fiangonana protestanta miray amin’ny
LMS ( London
Missionary Society ) , FJKM
ankehitriny tao Morarano chrome ny tantara tamin’ny volana septambra 1962.
Azo
lazaina fa fotoana niroborobon’ny fitoriana ny filazantsara teto amin’ny faritra Morarano chrome ny taona
1959-1962.Tamin’izany fotoana izany ohatra
no nanorenana io trano fiangonana
lehibe ao amin’ny FJKM Morarano chrome io . Ny Pasteur Rakoto Johnson no
mpitandrina tao tamin’izany fotoana izany.Nitombo isa ny kristiana sy ny
lazan’ny fiangonana ka rehefa nahazo fahaleovan-tena isika ny taona 1960
dia voafidy ho ben‘ny tanàna ny
Mpitandrina Rakoto Johnson.
Teo
koa anefa no nipoiran’ny olana maro samy hafa ka nampisy ny
fisarahan-kevitra.Nanoloana ny olana nosedrain’ny mpitandrina dia nisy
kristianina maromaro izay niombom-po am-panahy tamin’io mpanompon’Andriamanitra
nahavita be teo amin’ny asan’ny tompo io. Ireo kristianina feno fitiavana ny
mpanompon’Andriamanitra ireo no nivondrona ka nanorina ny fiangonana eto
Ambaoboho. Azo lazaina fa be fitiavana tokoa ireo kristiana ireo ka tsy namela
ho irery ny mpanompon’Andriamanitra mandalo olana.
Izany fiandohan’ny
tantara izany no nahatonga ny mpanoratra nifidy ho lohatenin’izao boky kely
izao izay voalaza ao amin’ny Efesiana 3 : 17 : “Finoana mamaka sy miorina
mafy amin’ny fitiavana”. Azo lazaina tsy
am-pihambahambana fa fitiavana miori-paka tokoa no nameno ny fon’ireo ray
aman-dreny tamin’izany fotoana izany dia : fitiavana ny asan’Andriamanitra
sy fitiavana ny mpanompony indrindra eo
amin’ny sarotra izay lalovany.
Taorian’ny fivoriana
maromaro izay notarihan-dRamatoa Ralinoro vadin’ny mpitandrina Rakoto Johnson
dia tapaka ny hevitra fa hanangana fiangonana protestanta iray eto Ambaiboho
mba hifampitaizana sy hampiroboroboana
ny finoana tsy ho faty. Noraisina ireo dingana manaraka ny ara-dalàna sy ny
rafitra isan’ambaratongany : nandalo tao amin’ny foiben’ny fiangonana taty Antsihanaka tao
Imerimandroso ka hatrany amin’ny foibe ao Antananarivo.
Tsy azo anefa ny alàlana hanangana fiangonana
iray teto Ambaiboho.
Tsy kivy noho izany ireto
kristianina fa nitady fomba hananganana fiangonana satria efa lasa fanamby teo
amin’izy ireo ny hoe tsy maintsy mahavita fiangonana eto Ambaiboho isika.
Nisy indray ireo solontena
nalefa tany Antananarivo nihaona tamin’ny Docteur Pasteur Rakotobe Andriamaro
filohan’ny fiangonana MET (Mission Evangélique de Tananarive) tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny fo feno
fifaliana sy fitiavana no nandraisan’i
Docteur Rakotobe Andriamaro ireto iraka avy aty Ambaiboho. Nivoha
nidanadana ho azy ireo ny fiangonana MET
ka azo ny alalana hanangana fiangonana eto Ambaboho. Zava-dehibe tamin’io
misiona io ny fampielezana sy ny fitoriana ny filazantsara koa dia tsy sarotra
ho an’ireto iraka ny nahazo ny taratasy fananganana ny fiangonana.
Hafaliana tsy misy toa azy
ny an’ireto iraka rehefa nahazo ilay taratasy. Noraisin’ izy ireo ho valim-bavaka lehibe avy
amin’ Andriamanitra izany satria io no
lalana anatanterahana ny fanamby sy
ahafahana mivory sy miara-mivavaka tsy
amin-tahotra.Tsy andrin’ireo iraka ny fotoana hiverenana eto Ambaiboho ilazana
ny vaovao mahafaly.
Ireto avy ireo iraka sy
olona nivezivezy tany Imerimandroso sy tany Antananarivo ka niafara tamin’ny
fahazoana io taratasy io.
-Rakotonanahary sy Rakotondramanga, samy Diakona, iraka tany
Imerimandroso.
-Ratiaray sy Razafindramanana Angèle samy Diakona, iraka nalefa tany Antananarivo
ho any amin’ny foibe LMS.
-Rakotonanahary sy Rakotomanga ary
nampian-dRandrianasolo Salomon mivady
iraka nihaona tamin’ny foibe MET tany Antananarivo.
Nahazo hery ny kristiana rehefa nahazo ny
taratasy ka dia niroso avy hatrany tamin’ny asa fananganana ny trano
fiangonana.
NY LALANA NODIAVIN’NY
FIANGONANA
Ny fiangonana voalohany
Fifaliana lehibe no
nandraisan’ny kristiana taty an-toerana ny fiverenan’ireto iraka avy any
Antananarivo ka nitondra ny alalana
hanorina fiangonana sy hivavaka malalaka. Marihana etoana fa sarotra
tamin’izany fotoana izany ny mivory sy miara-mivavaka raha tsy misy taratasy
ara-dalàna, ny toe-draharaha nisy koa moa efa nanahirana rahateo dia ny
nahavoafonja ny mpitandrina Rakoto Johnson tany Ambatondrazaka.
Tao amin’ny tranon-dramatoa Ravaonirina no
nivavaka ny olona, nasiana fefy zozoro teo amin’ny lavarangana mba ahafahan’ny
olona mivavaka.
Ireto ny olona voafidy ho biraom-piangonana
tamin’izany :
-Filoha : Rakotondramanga ;
-Mpitantsoratra : Rakotombololona
Jean ;
- Mpitahiry vola : Ranaivo na Dadanaivo
Nafana fo ny
mpivavaka ka niroborobo ny fiangonana. Nohetsehan’ny fanahy masina Ramatoa Ravaonirina ka nanome ny tany
hanorenana ny fiangonana dia ny tany izay mbola misy ny fiangonana sy ny sekoly ary ny trano
vadim-piangonana ankehitriny.
Nanohana ireto kristiana ireto koa
ny foibe MET ka naniraka ny Mpitandrina Ramarolahy hiasa taty an-toerana ny
taona 1962 io ihany.
Fananganana
trano fiangonana
Tsy niandry ela ny kristiana
teto amin’ny MET Ambaiboho fa ny volana
oktobra taona 1962 ihany dia natsangana
ny trano fiangonana. Nisy ny fiaraha-mientana sy firaisan-kina lehibe
tamin’izany fotoana izany satria fanamby no napetraka fa tsy maintsy vita ny
fiangonana. Maro ny kristiana no nirotsaka nanao asa an-tsitrapo sy nanome ireo
fitaovana ilaina tamin’ny fanorenana.
Toy izao no fantatra mazava tamin’ireo
fanomezana ireo :
-Ny tany nanorenana sy nanaovana biriky dia
fanomezana avy amin-dRamatoa Ravaonirina
-Nomen-dRafidison ho ketsain’ny fiangonana ny
tanimbariny iray ka ny vokatra azo dia ho fanohanana ny fiveloman’ny
mpitandrina vaovao izay vao tonga.
-Ireto kosa no fantatra fa nanao vokatra
lehibe ho fanorenana : Ramatoa Rasoavahatriniaina Dénise nanolotra
lambam-pandriana sy ondana ; Ranaivo sy Ramiadantsoa vadiny nanome kisoa,
Rafidison mivady nanolotra omby ; Ireto no nanome ny fanatazan-drakitra, ny
lamban-databatra sy ny lamban’ny pilopitra : Raivomanana Céléstine,
Randrianasolo Salomon , Rafarasoa Albertine , Ramiadantsoa ary Ravaonirina.
-Ny hafa kosa nanao asa –tanana toa
an-dRakotonanahary mpandrafitra izay nanao
ny rafitra hazo sy nanafo ny trano fiangonana.
-Voalaza tokoa fa tsy nisy nialangalana ny
rehetra fa naneho firaisan-kina sy fietanam-po nentanin’ny fitiavana ho fanorenana ny trano fiangonana .
Tsy nahagaga raha telovolana
monja taty aoriana dia vita ny asa fanorenana ka notokanana ny krismasy 24
desambra 1962 ihany ny fiangonana vaovao.
Ireto avy ireo Ray aman-dreny nitarika sy
ireo mpiara-nivavaka tamin’izany fotoana izany :
-Ravaonirina,Ranaivo,Ramiadantsoa,Razafitsambaina,Razafindratompo,Rafidison,
Rasoananahary,Rakotonanahary,Razafindranera,Rakotomanga,Ratiaray, Rakotoniaina,Razafinarivo,Rakotomalala,RazafindratompoII,
Andrianaivoravelona Chrysostôme,Rasoavahatriniaina Denise,Razafimalala,Razafindramanana
Angèle, Razanadraisoa, Razafindrakoto, Razafiarisoa, Rasoamanandray,
Ratsimalovy, Rajaobelina, Razanamparany, Rakotondratsimba Rémi, Raveloson,
Razanabahoaka Joséphine,Rasoarivony Henriette, Randrianjafy André, Rasoarimisa
Victoire, Rakotonjanahary, Rasoamanahirana,Rasoarimalala Céléstine,Rasoamiarimbola
Mariette,Rabesarisoa dit Rasy,Rasolomanana,Razanadrazay, Razafiarisoa, Ranirisoa
(Mme Ross), Razafindrasoa I,Razafindrasoa II,Ranorovelo, Rabenandrasana,
Rakotondramanana, Edouardo.
Ireo olona ireo dia mbola miampy ny tanora sy
ny zaza amam-behivavy fa saingy tsy voalaza ny anaran’izay ireo.
Ireo
Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
16
juin 1963
Sary tahiry
nomen’Andriamatoa Cyprien
Ny
fanorenana sekoly
Raha vao vita ny fiangonana
dia efa niroso sahady tamin’ny fanorenana sekoly ny kristiana. Ny sekoly dia
nanana kilasimandry zazalahy (20) sy zazavavy (30) teo am-piandohana. Ireto avy
ireo Mpampianatra tamin’izany fotoana izany :
Ramarolahy, Paulbert, Rafidimanana, Randriamasinoro
Jean, Madame Randriamasinoro, Rasoamiarimbola Mariette.Voalaza fa nisy
mpampianatra nanana Bac nampianatra tao tamin’izany.
Ravan’ny rivo-doza matetika
ny sekoly ary miezaka hatrany ny fiangonana manarina azy ka tsy namela ny
sekoly ho simba.
Nahazo efitrano manara-penitra tamin’ny fanjakana ny sekoly ny taona 2004-2005
taorian’ny rivo-doza izay nanimba ny sekoly voaorina teo aloha..
Efa misy ny ambaratonga rehetra izany
ankehitriny : Ambaratonga voalohany, faharoa ary Lycée.
Ireo
mpitandrina nifandimby
Pasteur
Ramarolahy : 1962-1968
Nanamboatra polipitra , dabilio, ary nividy
harmonia portable, nanorina sekoly.
Pasteur
Ramiandrasoa : 1968- 1971
Nanentana ny kristianina tamin’ny finoana
Pasteur
Raberanto :1971-1972
Nanangana ny sekoly nazeran’ny rivo-doza,nanavao
ny polipitra…
Pasteur
Rasandy : niasa vetivety ihany
Pasteur
Rakotomanantsoa Gilbert : 1972-1976
Nanarina ny sekoly ravan’ny rivo-doza,nividy
harmonia vaovao sy lakolosy nanavao ny polipitra amin’ny endriny hita ankehitriny (aogositra
2012)
Pasteur
Raminoarison : 1976-1979
Izy no filohan’ny synoda voalohany taty
Antsihanaka, namarana ny fanaovana ny pilopitra ary mpampianatra ihany koa.
Pasteur
Ravoajanahary : 1979-1986
Izy no nitarika ny fanorenana ny tilikambo
izay hitantsika amin’izao fotoana izao.
Pasteur Révérend Rakotomaro Jules sy Raharilala Noelinirina Berthine vadiiny :
23
mars 1986 -….
Nanafo ny sekoly ravan’ny cyclone (1986).
Nisy ny fiofanana ho Diakona voalohany ary
notokanana sy niakanjo fotsy lava.
Najoro ny Antokom-pihira AFAFI (Antsan’ny
Famonjena Filadelfia) ary nitokanana ny 21 oktobra 1990.
Nanavao ny
trano fiangonana ( planche de rive, pâte –fiche vy ny zoron-trano fiangonana, lokom-baravarana
sy ny trano vadim-piangonana ary ny tilikambo…)
Nankalaza ny jobily faha-28 taonan’ny
fiangonana sy nanangana tsangambato (1962-1990). Nankalazaina ny 21 oktobra
1990 izany fotoan-dehibe izany ka natrehan’ireo manam-pahefana maro na teo
amin’ny fitondrana na teo amin’ny fiangonana , isan’izany ireto :
-Rév Dr Ny Ony Rakotobe Andriamaro mivady,
Filoha Jeneralin’ny MET sy ny Rév Randria Nirison Jules , sekretera
Jeneralin’ny MET ary Ramatoa Charlotte
Rakotobe Andriamaro
Nanao trano vadim-piangonana (09 septembre 1992). Nividy synthétiseur ho an’ny AFAFI sy
moteur. Nanavao ny trano vadim-piangonana. Nanamboatra dabilio maro.
Nanao
trano heva misy andohalambo avaratra - andrefana ao amin’ny fiangonana.
Nanangana ny trano sekoly manara-penitra
(FID).
Nanorina ny Lycée sady Proviseur .
Mpitandrina am-perin’asa amin’izao
taon-jobily izao.
Mbola maro ny zavatra tokony hambara ny momba ny asa vita fa kely ny boky ka tsy afaka hanoratana izany rehetra izany.
ISAN-KERINTAONAN’NY MET TETO
MADAGASIKARA
Ambaiboho 17 -21 aogositra 1994.
Isan-keritaona tena manana ny tantarany eto amin’ny fiangonana MET
io isan-keritaona natao teto Ambaiboho io noho ireto antony ireto :
-Io ny isan-keritaona voalohany natao
ivelan’Antananarivo teo amin’ny tantaran’ny MET nandritra ny 39 taona.
-Nandraisana fanapahan-kevitra lehibe maro io
fotoana io satria teto no teraka ny METM (Misiona
Envanjelika Tera-tany eto Madagasikara).
Ny MET teo aloha (Mission Evangélique de Tananarive) dia novana ho Misiona Envanjelika Tera-tany
eto Madagasikara (METM), satria efa
manerana an’I Madagasikara ny fiangonana fa tsy nijanona tao Antananarivo
fotsiny ihany . Tamin’io koa no nanovana ny lokon’ny “robe pastorale” ho fotsy raha mainty
izany teo aloha.
Toerana mpandray fivoriana
koa ny fiangonana METM filadelfia Ambaiboho. Anisan’ny natao teto ny 23,24,25 jolay 1999, ny synoda –zanany na
ny fandaminana iraisan’Anosibe an’ala sy
Moramamanga ary Antsihanaka, synoda roa mitambatra. Mpikambana maro avy any
amin’ny komity foibe tany Antananarivo no tonga nanatrika io synoda io izay notarihan’i Pasitera Volahanta sy ny vadiny .Tonga teto koa ny
misionera Ramatoakely Elianna sy ireo
Mpitandrina maro avy any Antananarivo.
Izany synoda izany moa dia
nahavory ny mpitandrina rehetra avy
amin’ny synoda Moramanga-Anosibe an’Ala ary Antsihanaka ary natrehan’ny
kristianina maro be..
Ireo biraom-piangonana
nifandimby
Taona
|
Ireo biraom-piangonana
|
1962
|
-Filoha :
Rakotondramanga
-Mpitahiry vola :
Ranaivo na Dadanaivo
-Mpitantsoratra 1 :
Rakotombololona Jean
-Mpitantsoratra
2 : Rakotoniaina
-Mpitantsoratra
3 : Rasoamiarimbola Mariette
-Mpitantsoratra
4 : Randriamasinoro Jean
|
1971
|
-Filoha : Rafidison
-Mpitahiry vola :
Ranaivo
-Mpitantsoratra :
Randrianasolo Salomon
|
1976
|
-Filoha : Rafidison
-Mpitahiry vola :
Ramiadantsoa
-Mpitantsoratra :
Randrianasolo Salomon
|
1979
|
Mpitantsoratra :Rarivomiarana
Mpitahiry vola :
Ratsimalovy sy Ratovontsoa
Controleur
général : Rasoamparany Jean Alexis
|
1986
|
Filoha : Rafidison
Mpitahiry
vola1 : Rasoavahatriniaina Denise
Mpitahiry vola
2 : Ravaonirina
-Mpitantsoratra 1 :
Randrianjafy André
-Mpitantsoratra
2 : Andrianaivoravelona Sahondra Lucie Nivo
-Mpitantsoratra
3 : Rakotonjanahary
-Mpitantsoratra
4 : Ramboatiana Justin
|
2012
|
NY
METM ANKEHITRINY
Fiangonana velona ny METM Filadelfia ka
manana ireo sampana maro ho fanabeazana sy ho fitoriana ny filazantsara. Ireto
avy ireo sampana velona misy ato am-piangonana :
-Ny
Sekoly Alahady,
Miroborobo ankehitriny ny sampana sekoly
alahady ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana soratra masina ho an’ny ankizy sy
ny zatovo. Manana ny anjarany mandrakariva ny sekoly alahady amin’ny fotoam-pivavahana
ny alahady maraina.
Sekoly
Alahady taona 2012
(Photo 3F)
-Ny Sampana Tanora Kristiana izay
ivondronan’ny tanora rehetra ary ahitana antoko mmpihira.
-Ny
Antoko Mpihira AFAFI.
Antoko Mpihira manana ny maha-izy azy tokoa
ny AFAFI . Mandray anjara mandrakariva amin’ny asa fitoriana ny filazantsara
an-kira ary manao ho zava-dehibe ny fiara-miasa amin’ireo Antoko Mpihira maro
eto amin’ny manodidina sy any amin’ireo fiangonana rahavavy.Maro ny ezaka
nataon’ny AFAFI ary anisan’izany ny namoahany ny raki-kira tamin’ny “cassete
audio” iray izay misy hira ara-pilazantsara maromaro ny volana novambra 2003.
Antoko Mpihira 2012 (Photo 3F)
Manao ny asa
fitoriana ny filazantsara any ivelan’ny fiangonana koa ny Sampana Tanora
kristianina sy ny Antoko Mpihira, anisan’izany ity voarakitra an-tsary ity.
Fivoahana tany Ankitsika ny taona 2010
(Photo 3F)
Ny Sampana Fifohazana
Niorina tamin’ny taona 2000
ny sampana fifohazana eto amin’ny fiangonana. Noraisiny ho teny faneva ny
voasoratra ao amin’ny Matio 5 : 13 a, 14
a manao hoe :
“Hianareo no fanasin’ny tany,…Hianareo no
fahazavan’izao tontolo izao”
Ireto ireo mandrafitra ny biraon’ny sampan
fifohazana:
Filoha :Andriamatoa Razafinimpanana Solomon
Mpitantsoratra : Ramatoa Haingo Niaina Gerry Charles
Mpitahiry vola : Ramatoa Mamilantosoa
Charline
Mpandini-bola : Ramatoa Raharilala
Noelinirina
Manao ny asa fampaherezana isam-bolana ato
am-piangonana ny fifohazana. Manana ireo
mpikambana mavitrika ka lasa hery sy fanohitra ho fampandrosoana ny asa
fitoriana ny filazantsara
Ireo
Mpiandry ato amin’ny METM ambaiboho
taona 2012 (Photo 3F)
-Ny fikambanam-behivavy na
Dorkasy
Ity fikambanana ity no tena
avokavoky ny fiangonana. Hery mampiaina ny asa rehetra atao ato. Azo lazaina fa tsy vita ny asa rehetra izay natao
raha-tsy teo ny fikambanana Dorkasy.
Birao taona 2010 :
Filoha : Rasoanomenjanahary Marthe
Mpisolo toerana vonjimaika : Ramatoa
Raharivolamizana Hanta
Mpitantsoratra : Ramatoa Voahanginirina Berthine
Mpitahiry vola : Ramatoa Rasoahanta Lalasoa
Tsaroana manokana etoana Itompokovavy Rasoanomenjanahary Marthe izay nanokana ny
fiainana ho fampandrosoana ny sampana
dorkasy teto amin’ny fiangonana .
Ireo birao vaovaon’ny sampana Dorkasy
Filoha : Ramatoa Raharilala Noelinirina
Berthine
Mpitantsoratra : Ramatoa Voahanginirina
Berthine
Mpitahiry vola : Ramatoa Ramaharavoarisoa
Hortense
Dorkasy 2011 (Photo 3F)
Mahereza
ao amin’ny tompo sy amin’ny herin’ny faherezana .Efesianina 6 :10
Dorkasy 2012 (Photo 3F)
-Ny Sampana Lehilahy
Sampana vao nijoro vao
haingana tato am-piangonana ny sampana lehilahy nefa efa hametrahan’ny
fiangonana ny fanantenany ho fanetsiketsehana ireo lehilahy kristiana rehetra
amin’ny asa fanompoana.
Ny
sekoly
Tsy afaka misaraka amin’ny tantaran’ny
fiangonana ny sekoly. Efa manana efitrano manara-penitra izy ankehitriny ka
lasa tantara sisa ny fandravan’ny
rivo-doza azy matetika teo aloha. Efa misy lycée koa ny sekoly nanomboka ny
taom-pianarana 2010-2011.
Naka
ny sary : Faly
Ireo
Komitin’ny asa fanavaozana amin’izao faha-50 taonan’ny fiangonana izao.
Ho fanomanana ny fankalazana sy ho fiatrehana ny asa rehetra amin’izao
taon-jobily
izao dia najoron’ny fiangonana ny komity
Ireo no komity nitarika ny fiangonana
tamin’ny asa fanavaozana tanteraka ny trano
fiangonana sy ny fankalazana ny faha-50 taona. Nandray ny toe-po sy ny
finoana nanana’ireo Ray aman-dreny mpanorina izy ireo dia ny fitiavana sy ny
fanamby ka zavatra iray no masaka tao
an-tsain’izy ireo : “ tsy maintsy vita ny asa izay napetraky ny Tompo”
Asa
fitoriana ny filazantsara
Manao ho zava-dehibe ny asa fitoriana ny
filazantsara koa ny fiangonana ka manohana sy miara-miasa akaiky amin’ireo
zanam-piangonana toy ny ao Tsarahonenana Morarano chrome.
Famaranana
Ho famaranana izao boky izao dia indramiko ny voalaza ao amin’ny
Apokalypsy toko faha 3 andininy faha7 sy ny manaraka taratasy izay nalefan’ny Apostoly Jaona ho
an’ny fiangonana tao Filadelfia.
“7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any
Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny
fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy
mamoha: [* Gr. eklesia]
8 Fantatro ny asanao
(indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina
azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba
nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely
aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Indro, alaiko ny
sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy
izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao
ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Satria efa nitandrina
ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy
amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho
fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana Aho;
tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.”
Ho
voninahitr’Andriamanitra !
Ireo
loharano nipoiran’ny boky
Ireto avy ireo
loharano nahazoana nanoratra izao tantara izao:
1-Boky volamenan’ny
fiangonana nosoratana tamin’ny taona 1990 :
izay narindran’i Pasteur Jules Rakotomaro sy ny Mpanoratra Rasoamparany
Jean Alexis avy amin’ny tantaran’ireo nahita ny niandohan’ny fiangonana.
2-Boky mirakitra ny
tantaran’ny FJKM Morarano chrome izay niaingan’ireo mpanorina voalohany ny
fiangonana.
Nandrindra
sy nanoratra ny boky
Andriarinivomanana Harison